
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FIFANINTSANAN’NY AMBOARA ERANTANY 2026: Mitarika vonjimaika ao amin’ny Vondrona I ny Barea
Lavon’ny Barea an’ i Madagasikara 4 no ho 1 ny Les Fauves an’i Rep. Centrafrique. Afa-bela tamin’i Rep. Centrafrique, araka izany, ny Barea, raha toa ka lavony tamin’ny isa 2 no ho 0 tamin’ny fifanintsanan’ny CAN natao tamin’ny 27 marsa 2023.
Nandihizan’ny Barea an’i Madagasikara ny kianja an’i El Arbi Zaoulit ao Maroc nandritra ny fihaonana teo amin’ny Rep. Centrafrique sy ny Barea an’i Madagasikara teo amin’ny andro fahadimy ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026. Mitarika ao amin’ny vondrona I ny Barea an’i Madagasikara, izay manana isa 10. Faharoa samy manana isa 9 i Comores sy i Ghana, fahaefatra i Mali manana isa 5, Rep Centrafrique manana isa 4 ary Tchad no tsy mbola nitoko.
Nahitam-pahobiazana ny teknika nampiasan’ny mpanazatra vaovao ny Barea an’i Madagasikara Corentin Martins nandritra ny fihaonana tamin’ny Les Fauves an’i Rep. Centrafrique. Ireto avy ireo mpilalao nandrafitra ny fidirana voalohany: G. Dupire (mpiandry tsato-by), J. Morgan, T Fontaine, J. Mareclin ary R. Rabemanantsoa(vodilaharana). Ny teo afoavoan’ny kianja koa dia, L. Lapoussin, C. Couturier, M. Ilaimaharitra, .R. Raveloson ary A. Randrianantenaina. Ny hany mpanafika dia i W. Caddy. Nampiasa ny teknika 4 -5 -1 izy tamin’izany.
Somary variana ny Barea an’i Madagasikara vao nanomboka ny lalao ka, vao 9 minitra dia efa nahatafiditra baolina iray ny Les fauves tamin’ny alalan’i Hugo Gambor. Nifoha tamin’ny torimasony ny Barea taorian’io baolina tafiditra io, ary niezaka nifehy ny lalao ka nahavita nampiditra baolina i Rayan Raveloson teo amin’ny minitra faha-17. Nanomboka teo dia natoky tena ny Barea an’i Madagasikara, nahavita nampiditra baolina iray indray i i Rayan Raveloson teo amin’ny minitra faha-21. Io isa 2 no ho 1 io no nisarahan’ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Vao nanomboka ny fizarana faharoa, namerina nifehy ny lalao indray ny Barea an’i Madagasikara ka, teo amin’ny minitra faha-49 dia nahatafiditra baolina indray i Arnaud Randrianantenaina. Niezaka ny hanenjika elanelan’isa maro ny mpanazatra ka nampiditra ireo lohalaharana manana aim-bao ka nampiditra mpilalao efa manana traikefa toa an’i Tommy Iva, Lalaina, El Hadary ary Njiva Rakotomalala ka mbola nahafaty baolina iray indray ny Barea an’i Madagasikara tany amin’ny minitra faha-89, tamin’ny alalan’i Lalaina.
Hifandona amin’i Ghana ny Barea an’i Madagasikara ny alatsinainy faha-24 eo amin’ny andro fahaenina amin’ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026.
Njaratiana.



