PolitikaSongadim-baovao
LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO-TOAMASINA: 24%-n’ny asa no vita, hanomboka amin’ny 2026 ny tapany faharoa
Miroso hatrany ankehitriny ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ny 24% amin’ny asa fanamboarana io fotodrafitrasa goavana io no efa tontosa ankehitriny, araka ny tatitra nivoaka tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahana tamin’ny alarobia lasa teo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana ny ampahany voalohany mirefy 80Km miainga avy eto Antananarivo. Tanjona nofaritana ho an’ity taona 2025 ity ny hamitana tara tanteraka io ampahany voalohany io. Fampiasam-bolan’ny Fanjakana malagasy, raha tsiahivina, no miantoka ny fanatanterahana io ampahany voalohany io.
Ho an’ny tohin’ny fanamboarana ireo ampahan-dalana ambiny kosa dia anisan’ny nodinihana nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra farany teo hatrany ny mahakasika izany. Nankatoavina ny famatsiam-bola fanatanterahana ny lalambe migodana miala eo Anjozorobe hatrany Toamasina. Araka izany, fantatra fa famatsiam-bola avy amin’ny BADEA no hiantoka ny fanamboarana ny ampahany faharoa mirefy 80Km amin’io lalambe migodana io. Hanomboka amin’io taona 2026 ho avy io farafahatarany ny asa mifandraika amin’izany.
Mahakasika ny ampahany fahatelo farany mirefy 140Km, efa nisy ny fifampiresahana nataon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy tamin’ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombona antoka. Anisan’izany ny Abu Dhabi Found for Development (ADFD) izay naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara hanatanterahana izany fotodrafitrasa izany. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, noho izany, ny irosoana amin’ny fifampiraharahana sy fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny ADFD sy ny Fanjakana malagasy. Nanao fanamarihana manokana ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny anarahana akaiky ny tetiandro hanatanterahana ireo asa ireo.
S.S




