Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAKANA AN-KERINY : Maty notsatotsatohan’antsy ilay vehivavy, olona enina nidoboka am-ponja

Nisy naka an-keriny ny vehivavy iray ka tsy maintsy nandoa volabe mitentina 4.500.000 Ar, tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano. Ny 27 febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva, dia niantso ny zandriny izy, mba handoa io volabe io. Raha ny angom-baovao, dia  nandefa « Mvola » mitentina 1 tapitrisa Ar ny zandrin’ilay vehivavy nalaina any-keriny. Tonga nametraka fitoriana tany amin’ny zandary ilay vehivavy zandrin’ity nalaina an-keriny, ny alahady 2 febroary lasa teo. Nanomboka teo, natao ny fikarohana lalina. Fantatra fa nanomboka 21 hatramin’ny 28 febroary 2025, olona iray antsoina hoe Zafivelo no efa nifandray tsy tapaka tamin’ireo mpaka an-keriny azy ka any Anilobe izy ireo, ny 02 marsa lasa teo.  Fantatra koa fa i Soadanay avy any Vangaindrano dia efa voasolokin’ io mpaka an-keriny io ka lasany ny volany an-tapitrisany sy volamena 5 grama ary finday roa. Niainga tamin’ireo loharanom-baovao, nahetsika ny zandary avy ao amin’ny Kaompania ao Vangaindrano, hanao hazalambo ireo jiolahy mpaka an-keriny, ny 03 marsa lasa teo.

Iray maty tsy tra-drano…

Nody ventiny ny rano nantsakaina satria tra-tehaka i Soamanara, niaraka tamin’ny vehivavy roa vadin’izy ireo. Tratra teo amin’ny tendany vadin’i Lohisy koa ilay firavaka volamenan’i Parifetiny 05 grama. Hita tao an-tranony ny karapanondron’ ilay nalaina an-keriny sy ny findainy. Niaiky ny heloka vitany i Soamanara, ka nanoro ny ala ao Befotaka Ihara, distrikan’i Vangaindrano, nahitana ilay vehivavy nalaina an-keriny izay efa maty. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay nalaina an-keriny satria naratra be teo amin’ny vavany. Ankoatra izay, voatsindrona antsy ny vatany sy ny tendany. Mazava, araka izany, fa nitarika ny fahafatesany izany.

Nitohy ny 05 Marsa lasa teo, ny hazalambo an’ilay mpaka an-keriny antsoina hoe Lohisy sy ny namany tao Agnapala, Kaominina Fenoarivo, distrikan’i Farafangana.  Tafaporitsaka izy fa efa nasiany varavarana hafa ilay trano, mba hahamora ny fandosirany. Voatery nitifitra ny zandary rehefa tsy nanaiky hijanona izy, ka maty tsy tra-drano. Ny alatsinainy lasa teo, niakatra fampanoavana ireo valo voarohirohy. Ny enina tamin’izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika, raha ny roa kosa, teo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Ireo roa eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana ireo, dia efa mihoatra ny 70 taona, izay ben’ny Tanàna teo aloha ny iray.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer