PolitikaSongadim-baovao

ADIHEVITRA – FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Nisongadina ny Vina sy ny traikefan’ny Kandidà Rajoelina

Nanampy betsaka ny Malagasy hamantatra bebe kokoa ny Vina sy ny maha izy azy an’ireo Kandidà nandray anjara ny adihevitra nokarakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly. Ny tsikaritry ny mpanaraka ny fandaharana dia nisongadina ny traikefa efa ananan’ny Kandidà Rajoelina, na teo amin’ny endrika ivelan’ny fomba famaliana fanontaniana izany, na tamin’ireo zava-bita sy vina mbola ho atao amin’ny ho avy.  

Samy nanana 45 minitra avy ireo Kandidà miisa telo omaly nandritra ny adihevitra nokarakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), izay nandeha tamin’ny Haino aman-jerim-panjakana sy ireo Haino aman-jery tsy miankina maro manerana ny Nosy. Ireo nandray anjara tamin’izany dia ny Kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina, ny kandidà laharana faha-11, Raderanirina Sendrison Daniela, ary ny Kandidà laharana faha-13, Siteny Randrianasoloniaiko. Ho an’ity farany manokana, dia lany tamin’ny fanenjehana sy fankahalana manokana an’i Andry Rajoelina ny ankamaroany ny fotoanany, ary tafalatsaka mihitsy amin’ny firesahana fiainan’olona manokana. Hany ka tsy hita mazava izay vinam-piarahamonina entiny hampandrosoana ny firenena, afatsy fihirahirana ny “Fitsinjaram-pahefana”, izay mbola mijanona ho resaka fotsiny aloha. Ho an’ny Kandidà laharana faha-11 ihany koa dia tsy voafaritra mazava ny tena vina ho entiny amin’ireo sehatra marolafy eto amin’ny firenena.

Ho an’ny Kandidà Andry Rajoelina kosa dia saika voavaly mazava sy mahitsy avokoa ireo fanontaniana napetraka taminy, niaraka tamin’ny valinteny nafonja. Tamin’ny ankapobeny, vitan’i Andry Rajoelina no niaro ireo zava-bitany nandritra ny dimy taona voalohany nitondrany. Niaiky izy fa nisy ny tsy vita, saingy efa nambarany kosa ny drafitra entina hanarenana izany ho an’ny dimy taona manaraka. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka famoronana asa, ka vina apetrany ny resaka “industrialisation”, na ny famoronana orinasa eny ifotony. Jerena toy izany koa ny fahafahana mametraka tontolo hisintomana ireo mpampiasa vola ho avy eto amintsika. Izany hoe, hisy pitsopitsony araka ny lalàna izay hohalefahana mba hahatonga ireo mpandraharaha ho avy. Isan’ireo noresahiny manokana ny tontolon’ny Fizahantany, izay afaka mamorona asa betsaka, ary mampihodina betsaka ny toekarena.  

Angovo isan-tokantrano

Tafiditra tao anatin’ireo Vina noresahin’andriamatoa Andry Rajoelina manokana ny fampisitrahana angovo ho an’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fanomezana “kit solaire” ho an’ny isan-tokantrano, ary ho atomboka eto Antananarivo izany. Ao anatin’ny enim-bolana voalohany koa dia hisitraka toby famokarana angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro na “parc solaire” ny Distrika 50 manerana an’i Madagasikara. Izany dia hanampy betsaka ny famokarana herinaratra eto Antananarivo sy any amin’ireo Faritra tsy mbola manana  ny jiron’ny Jirama.

Tamin’ny ankapobeny, nahafahan’ny Malagasy maro manerana ny Nosy nahafantatra bebe kokoa an’i Andry Rajoelina sy ireo vina tiany hanohizana ny fampandrosoana eto Madagasikara ny adihevitra omaly.

Fermer