PolitikaSongadim-baovao

ADIHEVITRA MOMBA NY CENI SY NY RINDRAMBAIKO : « Aleo aloha handeha ny asa fa aza apetraka mialoha ny ahiahy » hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo

« Tsy mbola nisy na inona na inona hita akory dia efa ametrahana ahiahy sahady ny rindrambaiko ampiasain’ny Ceni », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha niresaka mahakasika ny adihevitra eo amin’ny tontolo politika ankehitriny. Vao andro vitsy izay no nanomboka ny fanisana ny mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Mbola tsy nisy na inona na inona hita akory dia efa miahiahy ny mpisehatra politika sasany, hoy izy. Notsindriany izay voalazan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), mahakasika ny fisian’ny fitsirihana indroa miantoana ny rindrambaiko. Raha tsiahivina, dia mialohan’ny famaranana vonjimaika ny fanisana mpifidy no hanaovana ny fitsirihana (audit) voalohany. Ary mialohan’ny famaranana tanteraka ny fanisana mpifidy kosa ny fitsirihana faharoa. Nampahafantarin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly fa rehefa miroso amin’izany fanaovana « audit » izany dia tsy maintsy misy mason’ny sehatra iraisampirenena mandray anjara ao anatiny. Dikany, tsy mitombina mihitsy ny ahiahy mialoha apetraky ny Mpanao politika sasany amin’ny fangaraharan’ny rindrambaiko. « Tsy mbola misy ady manomboka akory dia efa resy ianao », hoy ny fanazavany.

Resy tsy miady !

Mbola nazavain’ity Mpitondra tenin’ny Governemanta ity ihany koa fa tsy fanitsiana ny lisitra teo aloha no atao ankehitriny, fa fanavaozana tanteraka, izany hoe, tsy mipetraka ny ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny « doublon » na anaran’olona miverimberina ao anatin’ny lisitra. « Aleo aloha hanomboka ny asa… Matahotra ny hiady ny sasany dia mamorona olana aty am-boalohany », hoy ny fanazavany. Nambarany fa amin’ny fotoana rehetra, raha misy tranga hafahafa hita dia afaka manao fanamarihana izay maniry hanao izany, hoy izy. Ary afaka miantso ny sehatra iraisampirenena mihitsy, izay efa talentan’izy ireo rahateo.

Na izany aza, novakian’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo bantsilana tao anatin’ny fandaharana nataony omaly fa any amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina avokoa ny fifandanjan-kery rehetra ankehitriny, ka antony mahatonga ny mpanohitra mikoropaka sy matahotra ny fifidianana ho avy.

Raha tsiahivina, lehiben’ny Rodoben’ny Mpanohitra eto Madagasikara, tao anatin’ny fanambarana nataony farany, andro vitsivitsy lasa izay, dia niantso amin’ny fandraisana anjaran’ny mpisehatra ara-politika rehetra, indrindra ireo avy amin’ny fanoherana, amin’ny fanarahamaso ny dingana rehetra ataon’ny Ceni ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.

Fermer