PolitikaSongadim-baovao
ADIHEVITRA POLITIKA ANKEHITRINY: “Tsy misakana anay amin’ny fikarakarana fifidianana”, hoy ny Filohan’ny Ceni
Araka ny andininy faha-30 sy ny manaraka amin’ny lalàna mifehy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), raha ohatra ka misy fifidianana atao, na fitsapakevibahoaka atao, ny kandida dia afaka manolotra olona ho mpikambana tsy maharitra (formation non permanente) eo anivon’ny Ceni. Ireo kandida filoham-pirenena miisa 13 ireo, noho izany, dia afaka mandefa solontena manaramaso, ary miaraka amin’ny mivory amin’ny Birao maharitry ny Ceni mandrapavitan’ny voka-pifidianana vonjimaika. Misy azy ireo ny ao amin’ny Ceni foibe, ary misy koa any amin’ny rantsamangaika.
Araka ny tetiandro efa napetraka dia omaly no nivory voalohany niaraka tamin’ny Birao maharitry ny Ceni ireo solontenan’ny Kandida. Nanaitra ny maro anefa no nahita ny fahavitsian’ireo Solontenan’ny Kandida tonga, izay roa monja tamin’ireo 13 tokony hanatrika. Nambaran’ny Filohan’ny Ceni anefa fa tsy olana izay tonga eo fa azo atao hatrany no miady hevitra na firy na firy. Nohamafisin’ny Mpampakatenin’ny Ceni koa fa ny tsy fahatongavan’ny Solontenan’ireo kandida omaly dia tsy midika hoe tsy ho raisina intsony rehefa ho avy amin’ny manaraka. Raha ny tokony ho izy mantsy dia efa miara-mivory tsy tapaka amin’ireo birao maharitry ny Ceni ireo solontenan’ny Kandida ireo.
Azo heverina ny hifandraisan’izao fihetsiky ny Kandida izao amin’ny fifandroritana ara-politika misy ankehitriny. Kandida 10 amin’ireo 13 nirotsa-kofidiana tokoa mantsy no efa naneho ampahibemaso ombieny ombieny fa tsy matoky ny Ceni sy ny HCC. Tsy nahagaga, araka izany, raha toa ka nalaina tamin’ny fandefasana solontena ihany koa izy ireo omaly. Kanefa dia fanesorana izay ahiahy izay mihitsy no antom-pisian’ireo solontena ireo eo anivon’ny Ceni. Nanamafy omaly ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny fifandroritana ara-politika misy ankehitriny mifandraika amin’ny firosoana amin’ny fifidianana, fa tsy misakana ny Ceni tsy hikarakara fifidianana ny fisian’izany, ary irariana, hoy izy, mba hisy ny vahaolana ara-politika mba hivahan’izany. Izany hoe, mitohy amin’ny asa efa voafaritra hatrany am-piandohana hatrany ny Ceni ankehitriny.
Fanontana ny bileta tokana
Araka izany, mitohy hatrany ny asan’ny Ceni. Manamarina izany ny asa fanontana ny Bileta tokana izay mbola mandeha any Afrika Atsimo fa tsy araka ny tsaho niely hoe najanona. Raha ny fanazavana, nitombo ho 2 tapitrisa isanandro ny bileta tokana azon’ny trano printy atsy Afrika Atsimo atonta manomboka izao, raha 1 tapitrisa izany tamin’ny andro voalohany. Tombanana ho vita amin’ny faramparan’ity herinandro ity ny bileta rehetra ilaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany hatao ny 9 novambra izao, hoy ny Ceni. Mbola mila fotoana kosa ny famonosana ny bileta sy ny singa hafa toy ny taratasy fitanana an-tsoratra… izay tsinjaraina mifanaraka amin’ny biraom-pifidianana.
Mifandraika amin’ny isan’ny mpifidy 11 043 836 ao anatin’ny Rejisi-pifidianana nasionaly no atonta, miampy ny bileta fiandry. Ilaina io fiandry io raha sanatria misy trangatsy ampoizina, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni Dama Andrianarisedo Arsène. Iantohan’ny Ceni kosa, hoy izy, ny tsy hisian’ny hosoka na fampiasana amin’ny tsy tokony ho izy ireny bileta fiandry ireny.
Nohamafisin’ny Ceni fa tsy azo anaovana hosoka ny bileta tokana. Misy famantarana manokana ny singa tsirairay atonta. Nitondrana fanazavana koa ny fiovana endrika teo amin’ny filahatry ny kandida ao anatin’ny bileta tokana.




