Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’I COVID-19 : Tafapetraka ny Foibe mandrindra ny Fitsaboana ny Covid-19 (PNGM)
Efa amperinasa tanteraka ny Foibe mandrindra ny Fitsaboana na ny Plate-forme Nationale de Gestion Médicale Covid-19 izay tarihin’ny miaramila mpitsabo Lietna-Kolonely Ravaoavy Hariniaina. Raha tsiahivina dia ity ivon-toerana ity no mandrindra ireo hetsika momba ny fikarakarana sy fandraisana ireo mararin'ny Covid-19.
Manomboka hatramin’ny fandraisana ny antso avy amin’ny laharana 914 ny asan’ny PNGM, mitohy amin’ny fandrindrana ny fidinan’ny BIS eny an-tokantrano, ary ny fanaterana ireo marary eny amin’ny hopitaly izay miankina amin’ny fahafahan’ny fiara fitaterana marary anefa izany. Manara-maso amin’ny ankapobeny ny fitsaboana ireo marary na any an-trano na any amin’ny Hopitaly ihany koa ny PNGM. Mifandray isan’andro ary manontany amin’ny antso an-taroby ny toe-pahasalaman’ireo olona nisafidy ny hitsabo-tena any an-tranony izy ireo. “Tanjona ny ahafantarana isan’andro ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’ireo marary ka ahafahana manoro ireo ny toeram-pitsaboana afaka mandray raha sanatria ka misy ny fahasarotana”, araka ny fanazavana. Marihana fa ireo rehetra ireo dia maimaim-poana avokoa, na ny fizaham-pahasalamana izany, na ny fitaterana ireo marary eny amin’ny hopitaly izay miankina tanteraka amin’ny fahafahan’ny fiara fitaterana marary.
Manana ny isan’ireo toerana malalaka
Mifandray isan’andro ary miara-miasa akaiky amin’ireo toeram-pitsaboana mandray mararin’ny Covid-19, indrindra ny CTC-19 izay tarihin’ny miaramila mpitsabo Kolonely Sampilahy koa, ny PNGM. Anisan’ny mampiavaka ity rafitra vaovao ity, araka izany, ny fananan’izy ireo ny isan’ireo toerana malalaka eny amin’ireo toeram-pitsaboana mandray ny mararin’ny Covid-19. Isaky ny adiny iray izy ireo no mahazo izany isa izany. Miara-miasa akaiky amin’ny CTC-19 Mahamasina ihany koa ny PNGM.
Ankoatr’izany dia manao fizaham-pahasalamana sy fitiliana ny PNGM amin’ny alalan’ny Brigade d’Intervention Spéciale. Izany no natao dia hanamorana ny fasahiranan’ny olona amin’ny fivezivezena fa indrindra hisorohana ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 ka manatona ny olona atao fitiliana ny ekipan’ny « Cellule Conduite et Opération » eo anivon’ny PNGM. Ireo mpitsabo miaramila sy mpitsabo mpanampy miaramila no manatanteraka izany andro aman’alina, amin’ny fotoana ilana izany. Izy ireo no manatona avy hatrany ny birao na ny trano fonenan’ny olona mila anaovana fitiliana.
Aorian’ny fanadihadiana avy amin’ny antso voarain’ny ekipa mpandray antso dia midina ifotony ny ekipan’ny BIS manatanteraka ny fitiliana. Ny fitiliana atao dia tanterahina ao anatin’ny fanajana tanteraka ny fenitra sy fepetra ara-pahasalamana ary maimaim-poana avokoa.
Tsara ho fantatra fa izany rehetra izany, na ny CTC-19 na ny PNGM, dia eo ambany fitantanana sy fandrindran’ny ny miaramila mpitsabo Profesora Ratovondrainy Willy.



