Songadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY COVID-19: Efa manara-maso akaiky ny fivoaran’ny Variant Delta ny Fanjakana

Raha ny vaovao farany omaly dia efa misy amin’ireo Nosy manodidina antsika aty amin’ny Ranomasimbe indianina no efa ahitana ilay endrika vaovaon’ny Covid-19 antsoina hoe “Delta”. Ambony dia ambony ny taham-pifindran’ity Covid-19 amin’ny endriny vaovao ity, araka ny angom-baovao. Omaly, nilaza ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, fa efa manara-maso akaiky ny fivoaran’ity Variant Delta ity ny Minisitera ankehitriny.

Miisa 28 ireo trangana Coronavirus Variant Delta atsy amin’ny Nosy La Réunion, raha ny voalazan’ireo fampahalalam-baovao iraisampirenena. Telo kosa ireo trangana Coronavirus amin’ity endriny vaovao ity raha ho an’ny Nosy Maorisy, raha toa kosa ka iray no voamarina tatsy amin’ny Nosy Seychelle. Ny Nosy Mayotte kosa hatreto no mbola tsy ahitana ity trangana Coronavirus vaovao ity. Na izany aza, efa mananontanona ny sisin-tanintsika ity Variant vaovao ity izay aingam-pifindra kokoa mihoatra an’ireo teo aloha rehetra. Eo anatrehan’izany, nilaza ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa efa manara-maso akaiky ny fivoaran’ilay variant Delta ny eo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra ankehitriny, ary efa mipetraka ireo paikady. “Marina fa mihavitsy ireo tranga vaovao fa saingy kosa mila miomana hatrany isika” hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Manara-maso akaiky hatrany ny fivoaran’ny Covid-19 eto Madagasikara sy maneran-tany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, araka ny fanambarana omaly.

Aingam-pifindra

Araka ny fanazavan’ny OMS, ity Variant Delta ity hatreto no endrika Coronavirus mahery mifindra indrindra. Manodidina ny 30 ka hatramin’ny 60% eo ho eo ny taham-pifindran’ity Variant ity mihoatra ny teo aloha rehetra. Araka ny fampahafantarana farany navoakan’ny tranonkalan’ny Firenena mikambana, miisa 96 ireo Firenena efa ahitana an’ity Coronavirus amin’ny endriny vaovao ity. Raha tsiahivina, ny volana oktobra 2020 no nahitana voalohany ny Variant Delta tany Inde. Tao anatin’ny herinandro monja izy dia efa tafiditra tany amin’ny Firenena miisa 11. Ary ankehitriny dia efa ireo 96 ireo no ahitana azy. Ny Antokon-draharaha misahana ny fahasalamana eo anivon’ny Firenena mikambana aza dia milaza mihitsy fa mety ho mbola mihoatra an’io ny tarehimarika tena marina satria maro ireo Firenena tsy mbola manana fahafahana hitily ity Variant Delta ity amin’izao fotoana.

Fermer