Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19: Ho tonga ny 7 Mey ny Vaksiny andiany voalohany
Isan’ny lohahevitra voaresaka nandritra ny fandaharana nataon’ny Filoha sy ireo mpikamban’ny Governemanta miisa efatra omaly tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny mahakasika ny fanafarantsika Vaksiny. Nivoitra nandritra izany fa ho tonga eto Madagasikara amin’ny 7 Mey izao ny vaksiny andiany voalohany, dia ny Covishield izany. Efa misy lamina sy paikady apetraky ny Fanjakana amin’ny fanaovana ny vaksiny, izay tsy an-tery.
Amin’ny 7 mey no hahatongavan’ny vaksiny andiany voalohany eto Madagasikara, araka ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Ity farany izay nilaza fa ny Vaksiny Covishield ity ho tonga voalohany eto amintsika ity. Ny Covishield izay tafiditra tao anatin’ireo tolo-kevitry ny Akademiam-pirenen’ny mpitsabo eto amintsika, izay azo ampiasaina sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara. Nanamafy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, omaly, fa nohafainganina ny fanafarantsika an’ireo Vaksiny ireo. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia fomba roa ihany no hahafahana manafatra vaksiny, raha ho antsika manokana, dia ny fidirana tao amin’ny “Initiative Covax”, sy ny fiarahamiasa amin’ny Vondrona Afrikanina. Ity farany izay mety ho amin’ny volana septambra vao hahafahantsika misitraka Vaksiny.
Ireo misitraka ny Vaksiny
Ny Fanjakana ihany no manapaka amin’ny fanapahan-kevitra rehetra manodidina ity Vaksiny ity, hoy ny Minisitra tomponandraikitra omaly, fa tsy misy tsindry na avy aiza na avy aiza. Ny fisiana Fondation milaza fa afaka manafatra Vaksiny dia midika ho fisokafana, hoy izy, ary endriky ny fiarahamiasa no atao amin’ny tsy miankina, fa tsy midika zavatra hafa akory.
Ny Minisitry ny Fahasalamana dia nanamafy fa efa misy ny planina fizarana vaksiny ataon’ny Fanjakana. Fotoana izay nanamafisany fa ireo mpiasan’ny fahasalamana no hisitraka ny andiany voalohany amin’ny Vaksiny, ao koa ireo marefo, ireo zokiolona, ireo mpitandro filaminana. Tsara marihana fa misy ny fisoratana anarana amin’ny fisitrahana vaksiny. Ho an’ny foloalindahy manokana dia efa misy toerana amin’izany. Eny amin’ny amadia kosa ho an’ireo diabetika. “Tsy hisy ny kolikoly amin’ny fizarana ny vaksiny”, hoy ny fanazavana.
Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny Fahasalamana, omaly, dia efa voalamina ny fitahirizana ity karazam-baksiny ity. Efa manana vata fampangatsiahana, hoy izy, ny isaky ny CSB. Efa misy koa, hoy izy, “thermos” manokana itondrana azy, ka afaka hentina any amin’ireo toerana rehetra tokony hisitraka izany ny Vaksiny. Ho an’ireo nahavita ny Vaksiny dia efa misy taratasy manokana omena azy ireo, araka ny fanazavana hatrany.




