PolitikaSongadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY COVID-19: Hohenjanina indray ny fampanajana fepetra

Na dia hita ho efa nihena aza ny tarehimarika amin’ny ankapobeny dia mbola tsy resy tateraka ny valanaretina Covid-19 eto amintsika. Izany no antony mbola tokony hanajana ireo fepetra ara-pahasalamana samihafa ho fisorohana. Omaly, nanazava ny Praiminisitra fa hohenjanina indray manomboka izao ny fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, indrindra ny fanaovana arotava.

Mbola mitohy ny Hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny Tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika, taorian’ny fakan-kevitra tamin’ireo Filohana Andrimpanjakana eto amintsika. Midika izany fa mbola mitohy ny ady amin’ny valanaretina raha ho antsika eto Madagasikara. Raha ny tatitra nentin’ny Praiminisitra omaly dia hita fa nihena ireo tranga vaovao tato anatin’ny 15 andro farany. Nidina 233 ny fitambaran’ireo tranga vaovao nandritra ny 15 andro, nahazoana ny taham-pidinana hatrany amin’ny 26%. Misy hatrany koa anefa, etsy ankilany ireo olona lavo, ary ireo olona anaty tranga misy fahasarotana aza dia hita ho niha nitombo mihitsy. Ny nahitana ireo tranga vaovao dia Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa,  ary Antsirabe voalohany izay vao niakatra be indray. Nihena kosa ny tao Ambatondrazaka.

Manoloana izany, anisan’ny fepetra voalohany nambaran’ny Praiminisitra ny tsy maintsy mbola hanajana hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana sy fepetra sakana rehetra. “Tsy maintsy manao arotava ny olona rehetra. Hohenjanina ny fanajana fepetra manomboka amin’ity 15 andro manaraka ity”, hoy ny Praiminisitra. Azo everina, noho izany, ny hiverenan’ny fanasaziana indray ho an’ireo tsy manaraka ny fepetra fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.

Voarara ny famoriam-bahoaka maherin’ny 400

Tafiditra ao anatin’ireo fepetra mandritra ny 15 andro manaraka koa ny mbola fisokafan’ny CTC-19 ao amin’ny Village Voara. Ireo izay manana soritraretina dia afaka manatona avy hatrany eny an-toerana, hoy ny fanazavana. Mbola voarara ny famorim-bahoaka mihoatra ny 400 eto Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa 1, ary Antsirabe 1. Tsy miova ny fepetra ho an’ireo razana matin’ny Covid-19, dia ny tsy fahafahana mitondra izany mivoaka ny Faritra, ary tsy mihoatra ny 10 ihany koa ireo mpandevina. Hatreto, tsy mbola azo atao ny famadihana. Mihatra ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ho an’ireo distrika enina voalaza ireo. Mbola mikatona ireo toeram-pandihizana. Azo atao kosa anefa ny mikarakara lanonana ho an’ireo mpanakanto fa tsy maintsy hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana. Etsy ankilany, mitohy ny sidina anatiny hiantsorohan’ny Tsaradia, saingy tsy maintsy hajaina ny fepetra. Notsindrian’ny Praiminisitra fa afaka mandray fanapahankevitra hafa ny governora isam-paritra mifanaraka amin’ny zava-misy any an-toerana, saingy tsy maintsy hiaraha-midinika amin’ny Minisiteran’ny Atitany izany.

Ho avy amin’ny Aogositra ny Vaksiny Johnson/Johnson

Araka ny nambaran’ny Praiminisitra omaly, ankoatra ny Vaksiny Covishield izay ho avy mialohan’ny 10 Aogositra 2021 ny fatra faharoa, dia ho avy eto amintsika koa ny Vaksiny Janssen avy amin’ny USAID amin’ny volana Aogositra, izay mbola tafiditra koa ao anatin’ny Initiative Covax, raha ny fanazavana.  165 fatra ity vaksiny Janssen na Johnson/Johnson ho avy eto amintsika ity.

Na eo aza anefa ireo fepetra maro efa raisin’I Madagasikara, indrindra ny fanafarana Vaksiny, dia mbola mikatona aloha ny sisintanintsika, ary tsy mbola misy sidina mitondra mpandeha afaka mihazo an’I Madagasikara. Niaiky ny Praiminisitra fa misy fiantraikany ratsy ho an’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany io fepetra io. Izany, hoy izy, no nandraisana ny fepetra nampiantonana ny fandraisana hetra amin’ireo mpisehatra ara-pizahantany, ny resaka cnaps sy jirama. Nampahafantariny fa miisa 104 ankehitriny ny firenena efa misy ny variant DELTA, avy any Inde. Mahery vaika kokoa mihoatra ireo variant hafa. Ny fizahantany anatiny aloha no hampiroboroboana, araka izany.

Fermer