SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID -19: « Isika rehetra no tompon’andraikitra » hoy ny Praiminisitra Ntsay
Mbola mitohy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara ny “Fahamehana ara-pahasalamana”, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny Sabotsy teo. Araka izany, raha ny Covid-19 noresahana dia mbola anaty valanaretina tanteraka ny Firenena. Na izany aza anefa, mahavelom-bolo ny fivoaran’ny aretina raha ny antontanisa no jerena. Araka ny nambaran’ny Praiminisitra omaly, nihena 30% ny tahan’ny tranga vaovao voamarina raha ny roa herinandro farany teo no asian-teny. Ary manodidina ny 91% ny taha-pahasitrahana. Eo amin’ny 1100 ireo mbola manaraka fitsaboana. Izany hoe, mihavoafehy ny valanaretina. Mbola tsy resy tanteraka anefa ny aretina. « Isika rehetra no tompon’andraikitra » hoy ny Praiminisitra Ntsay, raha nitafa tamin’ny vahoaka malagasy omaly. Na izany aza, anisany efa fepetra noraisin’ny Fanjakana ankehitriny ny fanakatonana ny CTC Mahamasina, sy ny fanajanonana ny asan’ny BIS noho ny efa fihenan’ny tranga vaovao. Nisy koa ny fandraisana fepetra ara-pahasalamana ankapobeny mihatra manerana ny Nosy. Anisan’izany ny tsy maintsy hanaovana arotava, ary manao ny asa ho an’ny tombontsoan’ny daholobe avy hatrany ireo mandika izany. Hajaina hatrany elanelana iray metatra, ny fanasana tanana na fampiasana ny Gel Désinfectant, fakana maripana any amin’ny sehatra rehetra, fanatonana tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy mampiahiahy. Notsindrian’ny Praiminisitra, omaly, fa tsy tokony hivoaka ny trano mihitsy ny olona tsy misy atao. Ankoatra izay, mbola voarara ny famoriana olona mihoatra ny 200, ary fanazarantena ihany no azo atao amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena hatreto.
Hosokafana ireo “Aéroport”
Etsy ankilany, mbola mitoetra ny “Couvre feu » manomboka amin’ny 12ora alina ka hatramin’ny 04ora maraina, ho an’Analamanga sy Diana. Omena alalana ireo olona mitondra razana, miditra sy mivoaka an’Antananarivo raha voamarina fa tsy covid-19 no nahafaty ilay olona. Mbola tsy misy hatreto ny famadihana. Mahakasika ny fitaterana an-tanety, nosokafana kokoa ireo zotra afaka mifamezivezy ho an’ny zotra nasionaly sy rezionaly. Nisongadina indrindra tamin’izany ny hisokafan’ny zotra mampitohy an’Antsiranana sy Antananarivo, Sambava – Antananarivo, amin’ny Sabotsy 26 Septambra izao. Izany dia ao anaty fanajana feno ireo fepetra ara-pahasalamana. Nohamafisin’ny Praiminisitra fa tsy misy tokony hiakatra ny saran-dalana rehetra. Tsy nisy fiovana kosa ireo fepetra ho an’ny fiara fitateram-bahoaka. Toy izany koa ireo fiarakaretsaka sy ny moto. Mitohy misokatra koa any habakabak’I Madagasikara amin’ny sidina anatiny, miaraka amin’ny fanajana feno ireo fepetra efa napetraka. Efa mandeha koa ny rindran-damina rehetra ho an’I Nosy Be izay handray mpizahantany manomboka ny 01Oktobra. Etsy ankilany, hosokafana miandalana koa ireo seranam-piaramanidina hafa. Atomboka amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasim-be Indianina izany fisokafana izany, araka ny fanazavana, ka Antsiranana, Toamasina, Tolagnaro, Toliara no handray izany hanomboka ny 29 OKtobra izao. Tsy maintsy mametraka ny rindran-damina mifanaraka amin’izany, hoy ny Praiminisitra. Momba ny fitaterana an-dranomasina, afaka miasa ireo mpitatitra olona ato anatiny, na an-dranomasina na an-dranomamy, saingy manaja feno ireo fepetra. Eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny Fialamboly, mahazo misokatra ny cabaret, karaoke, bar, espace, saingy tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana, ary hatramin’ny 11ora alina ihany izany, tsy mihoatra ny olona 200. Hisy ny fanarahamaso hentitra momba ny fampiharana izany, hoy izy. Ny « Boîte de nuit » kosa tsy mbola misokatra. Ny toerana toy ny Rova, Vakoka sy ny sisa koa dia efa azo tsidihana saingy tsy mihoatra ny olona 200. Tsy mahazo mihoatra ny olona zato kosa ny any amin’ny “Salle de cinema”. Ho an’ny toeram-pivavahana, na fiangonana na moske, dia afaka misokatra. Mila hajaina ny elanelana iray metatra sy ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.




