PolitikaSongadim-baovao

ADY AMIN’NY COVID-19: Nandresy isika, nahomby ny paikady

Tapitra ny “Hamehana ara-pahasalamana”. Io no anisany nisongadina tamin’ny tenin’ny Filoham-pirenena, omaly, nandritra ny fandaharana manokana niarahana taminy. Efa resintsika ny valanaretina, hoy ny Filoha. Na izany aza, mbola hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Etsy ankilany, mitodika amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo any Atsimo indray ny Fitondram-panjakana manomboka izao.

Faha-14 manerantany no misy an’I Madagasikara amin’ny taham-pahasitranana, araka ny antontanisa nentin’ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Izany hoe, anisan’ireo firenena manana olona sitrana betsaka indrindra I Madagasikara, amin’ny salanisa 96%. Ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny vanalaretina kosa anefa, etsy ankilany, dia tena efa mihavitsy. Antony nanafoanana ny “Hamehana ara-pahasalamana” eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara. Araka ny tatitry ny Filoha omaly, niisa 16 834 ireo voatily fa mitondra ny valanaretina teto amintsika. Ny  16233 tamin’ireo no sitrana soamantsara avokoa. Hatramin’ny omaly, 348 no mbola manaraka fitsaboana. Ho an’ny omaly, niisa telo ireo tranga vaovao voamarina manerana an’I Madagasikara. Entina hilazana fa andalam-pandresena tanteraka I Madagasikara, ary ny tarehimarika no manam-porofo izany.

Mitohy ny fanajana fepetra

Eo anatrehan’izany, na dia foana aza ny Hamehana ara-pahasalamana dia mitohy hatrany ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mba tsy hidirantsika indray amin’ny onja faharoa na ilay 2ème vague. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana arotava, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony n any fampiasa Gel Désinfectant, ny fanajana ny elanelana iray metatra. Ankoatra izay, nilaza koa ny Filoha omaly fa mbola voarara ny famoriana olona mihoatra ny 200, mba hisorohana ny mety mbola hiparitahan’ny aretina indray. Etsy ankilany, efa voaresaka ombieny ombieny ny fanomezana lanja sy fahefana bebe kokoa ny any anivon’ny Faritra. Noho izany, azon’ny Governora sy ny Prefet atao ny mandray fepetra mifanaraka amin’ny zavamisy any amin’ny misy azy tsirairay avy. Anisany nambaran’ny Filoha omaly koa fa mbola mikatona ny lanitr’i Madagasikara noho ny firongatry ny valanaretina indray any ivelany. Ho an’I Nosy Be manokana izay efa nisokatra sy mandray mpizahantany ankehitriny, hamafisina hatrany fepetra, ary tsy mandray ireo mpandeha avy any amin’ireo firenena mbola mampirongatra ny Covid-19. Nomarihin’ny Filoha koa fa ny 01 Novambra izao no fara-fandraisana ny sidina ho an’ireo Malagasy hody an-tanindrazana. Foana ihany koa, noho izany, ny fikasana hanokatra ny sisin-tany amin’ny 29 Oktobra.

Nahomby ny fepetra

“Nahomby ny Serasera natao”, hoy ny Filoha omaly. Nanomboka tamin’ny fanomezana toromarika isanandro nataon’ny Filoha izany. Ary nitohy isanandro tamin’ny alalan’ny Profesora Volontiana Hanta Marie Danielle. Ankoatra izay, nahomby ny fanaovana fitiliana faobe, teny amin’ny CCI Ivato, sy teny amin’ny Jumbo Score. Notsiahiviny koa ny fametrahana aingana ny CCO teto andrenivohitra. Nisy koa ireo CRCO tany amin’ny faritra. Anisany nampatahotra ny tranga tany Toamasina, hoy izy, saingy voafehy izany. Nampiavaka an’I Madagasikara tamin’ny firenena maro kosa ny fanomezan-danja ny fikarohana. Noresahany nandritra izany ny fiarahamiasa tamin’ny IMRA, tamin’ny alalan’ny  famokarana ny tambavy CVO izay nanampy betsaka ny fiatrehana ny aretina. Mihoatra ny fito tapitrisa ny tambavy nozaraina maimaimpoana manerana ny  Nosy, hoy izy. Nanampy betsaka koa ny fisian’ny hopitaly manarapenitra manerana ny Nosy, toy ny  Antsiranana, Toamasina, Antananarivo, Mahajanga. Nambarany fa noraisina an-tanana maimaimpoana avokoa ireo niditra tamin’ny hopitaly manarapenitra. Paikady nahomby koa ny nametrahana ny CTC Ivato, CTC Alarobia, CTC Andohatapenaka, CTC Mahamasina, hoy ny fanazavana. Tantara mipetraka ho an’I Madagasikara koa ny nananganana ny toeram-pitiliana LA2M. Nolazainy fa teknolojia anisany raitra indrindra no ampiasaina ao amin’ny LA2M. Teo koa anefa ny ozinina mpamokatra fanafody, Pharmalagasy, izay nampiakatra ny hambompom-pirenena.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo no ady manaraka

Firenena afaka mandresy ny sedra rehetra I Madagasikara, indrindra rehefa miray hina ny Malagasy, sy rehefa manana vina ny mpitondra, hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Fotoana izay nilaza fa “ny ady amin’ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo indray izao no ady atrehintsika”. Nilaza ny Filoha fa hitodika bebe kokoa amin’ny any atsimo izao ny Fitondram-panjakana, amin’ny fametrahana ireo centre de rehabilitation nutritionnelle et médicale, izay hapetraka ary tsy hiala any amin’ny Distrika efatra any Atsimo, mba hanafoanana amin’ny ampahany betsaka ny kere any Atsimo.

Fermer