ADY AMIN’NY COVID-19: Nivoaka ny vola 171,9 tapitrisa dolara avy amin’ny FMI
Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), tamin’ny alalan’ny Filankevi-pitantanany, ny alakamisy 30 jolay teo, nivoaka ny andiany faharoa amin’ny fanampiana ara-bola, azon’i Madagasikara amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao. Fanampiana izay mitentina 171,9 tapitrisa dolara, azon’i Madagasikara hampiasaina avy hatrany. Raha tsiahivina, ny fiandohan’ny volana aprily teo no nandray ny andiany voalohany tamin’ny fanampiana I Madagasikara, izay nitentina 165,99 tapitrisa dolara. Hatreto izany, mitentina 337,9 tapitrisa dolara ny fitambaran’ny fanampiana voarain’I Madagasikara, avy amin’ny FMI. Raha tsiahivina, naompana bebe kokoa tamin’ny famenoana ny fahabangana eo amin’ny tahirim-bolam-panjakana 2020 sy ny fiakaran’ny fandaniana ara-tsosialy ny andiany voalohany tamin’ny fanampian’ny FMI. Ny vola avy any amin’ny mpamatsy vola hafa kosa no natokana tamin’ny resaka fitsaboana tamin’ny ankapobeny, sy ny fanampiana ara-tsosialy..
Misy ny fangaraharana
Nambaran’ny avy ao anivon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena fa tokony hameno ny filàna ara-bola ao anaty Hamehana ity famatsiam-bola fanampiny ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ny lafiny fahasalamana sy ny fanampiana ireo vahoaka tena marefo ara-pivelomana. Nohamafisin’ny FMI fa tokony hanampy betsaka ny Fanjakana amin’ny paikady entina miady amin’ny valanaretina Covid-19 izao fanampiana izao. Araka ny fampitam-baovao hatrany, ny fangaraharana sy ny fitantanam-bola araka ny tokony ho izy no fepetra takian’ny FMI. Fepetra izay azo ambara ho voahajan’ny Fanjakana, hatramin’ny fiandohan’ny krizy ara-pahasalamana. Ny mpamatsy vola rahateo, matoa miroso amin’ny famoaham-bola ho an’I Madagasikara toy izao, dia midika ho fatokisana ny mpitondra izany. Raha tsiahivina tokoa mantsy, ny 9 jona lasa teo no nanao tatitra voalohany, mahakasika ny fampiasam-bola tao anatin’izao ady ara-pahasalamana izao ny Fanjakana malagasy. Vao tsy ela fa vao ny 28 jolay teo no nanao tatitra vaovao indray ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, tao amin’ny tranonkalany.




