PolitikaSongadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY COVID-19: Tsy mbola hanafatra vaksiny aloha isika

Firenena maro maneran-tany no mihemotra amin’ny fampiasana ny Vaksiny Covid-19 ankehitriny. Tranga izay manamafy ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana malagasy tsy hanafatra Vaksiny eto an-toerana. Hatreto, mitohy ny famokarana ny Tambavy CVO sy ny CVO+ izay voka-pikarohana malagasy efa nahitam-bokany tsara tamin’ny fitsaboana sy ny fisorohana ny Coronavirus, hatramin’ny taon-dasa…

Manamarina tanteraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana malagasy hatrany am-boalohany hatreto ny zava-misy rehetra maneran-tany manodidina ny fampiasana ny vaksiny fanefitra ny Covid-19. Nanambara ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, omaly, fa manara-maso ny angom-baovao rehetra manodidina ity vaksiny ity ny Minisitera ankehitriny, ary miankina amin’izany ny mety ho fanapahan-kevitra farany ho raisin’i Madagasikara. “Resahana betsaka ny momba ny vaksiny maneran-tany. Ireo firenen-dehibe izay manana marary analinaliny dia mihazakazaka sy mitady ny fomba rehetra hametrahana izany vaksiny izany. Isika dia manaramaso akaiky no sady mailo amin’ity vaksiny ity”, hoy ny fanambarany. Notsindrian’ny Minisitra fa ny ankamaroan’ny firenen-drehetra nampihatra ny vaksiny ankehitriny dia mihemotra ary mampiato ny fampiasana ny vaksiny ao aminy avokoa. Efa misy sivy ireo ny firenena Eoropeanina nampiato ny fampiasana izany, indrindra ny vaksiny AstraZeneca. “Ao ny maty tampoka, misy ny fivainganan-dra, aretina any amin’ny avokavoka ka miteraka fahafatesana”, ireo no nambaran’ny Minisitra fa tranga miseho taorian’ny nampiasana ny vaksiny tamin’ireo marary tany ivelany.

Manara-maso ny zavatra miseho

Tena mailo isika. Isika koa anefa dia misokatra amin’ireo angom-baovao rehetra amin’izany vaksiny izany. Mba hialantsika amin’izay voka-dratsy mety ho entiny, dia andrasana izay vokatry ny fampiasana azy any ivelany. Isika tsy manda mihitsy ny fampiasana ny vaksiny, saingy manaramaso isika amin’ireo zavatra miseho”, hoy hatrany ny Minisitra. Ity farany izay nampahatsiahy ny fananantsika ny Tambavy CVO sy ny CVO+. Nampihena ireo tranga misy fahasarotana ny fizarana ny CVO teto amintsika, hoy izy, ary hita ny fahombiazan’izany. Olona an-tapitrisany maro no nandray ny CVO ary nahazo voka-tsoa tamin’izany. Ary koa, io voka-pikarohana malagasy io no nahatonga ny teto amintsika ho vitsy lavitra mihoatra ny any ivelany ireo olona namoy ny ainy.

Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia hanaramaso ny zava-miseho rehetra any ivelany. Ananantsika ny fitaovana, ny fanafody, ny fanaovana fitiliana, azontsika atao ny mbola mampiakatra ny isan’ny toeram-pitsaboana. Saingy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay no tena zava-dehibe”, hoy ny Minisitra. Nambarany fa efa nasina CVO + daholo ireo toerana hitsaboana ireo olona mitondra ny tsimokaretina, eo koa ireo CVO Tambavy ho an’ireo misy fambara mampiahiahy.

Fermer