PolitikaSongadim-baovaoToekarena
ADY AMIN’NY FAMOTSIAM-BOLA ETO MADAGASIKARA: 1 880 miliara ariary no ahina ho vola maloto ny taona 2021
Nisongadina tao anatin’ny tatitry ny asa natao teo anivon’ny samifin nandritra ny taona 2021 ny vokatry ny fitsirihana ireo ahiahina ho vola maloto nihodina teto Madagasikara. Tafakatra hatramin’ny 1 880 miliara ariary izany, araka ny tatitra. Ny sehatry ny fanondranana volamena no tena nahitana betsaka ny tranga ahiahina ho misy famotsiam-bola, eo koa ny sehatry ny fanondranana sy fanafarana entana avy any ivelany ho eto Madagasikara.
Nahatratra 1 880 miliara ariary ny vola very tamin’ny famotsiam-bola ny 2021, araka ny tatitry ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny Famotsiambola sy ny Famatsiambola ny fampihorohoroana (Samifin), Mamitiana Rajaonarison, omaly. Niakatra avo telo heny, mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ity tarehimarika ity, raha ny fanazavana. Raha tsiahivina, 579 miliara ariary ny vola nahiahina ho vola naloto ny taona 2019. 578 miliara ariary kosa izany ho an’ny taona 2020.
Ao amin’ny seha-pihariana volamena no tena mibahana ny ampahany betsaka amin’io tarehimarika io, satria dia tao anatin’izany sehatra izany avokoa no hita ny 66%-n’ireo famotsiam-bola tratra. Manaraka izany kosa, ny sehatry ny fanondranana sy fanafarana entana avy any ivelany, izay mahatonga fivezivezen’ny devizy tsy araka ny tokony ho izy, ka miteraka famotsiam-bola ihany koa.
Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Samifin fa isan’ny sehatra hanamafisan’izy ireo ny fitsirihana ny tontolon’ny Harena an-kibon’ny Tany, ny jono, ary ny Fanodinkodinam-bolam-panjakana. Rehefa mitombina, hoy izy, ny ahiahy ny amin’ny fisiana famotsiam-bola, dia mandefa avy hatrany ny raharaha eny anivon’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac) ny Samifin. Ary mitohy ny raharaham-pitsarana avy eo.
Hitrandraka
Nandritra ny tatitra nataon’ny Samifin omaly no nanamaritan’ny Tale jeneraliny ireo paikady sy dingana maro samihafa efa vita sy fanatsarana ho entina ho an’ny dimy taona manaraka. Tsy vitsy ireo fiarahamiasa sy fifanarahana efa vitan’ity sampandraharaha ity miaraka amin’ireo sehatra maro eo anivon’ny Firenena mahakasika ny ady amin’ny Famotsiam-bola.
Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Samifin nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsy hionona fotsiny amin’ny fahazoana vaovao fa hitrandraka sy ho mavitrika kokoa amin’ny fitadiavana vaovao ary hanenjika hatramin’ny farany ireo manao famotsiam-bola. Tanjona ny hahatonga ny Samifin ho Sampandraharaha Fitsirihana ara-bola fitaratra (Service de Renseignement Financier de référence) eto amin’ny Faritra Afrika alohan’ny taona 2026, hoy izy.




