PolitikaSongadim-baovaoToekarena
ADY AMIN’NY FAMOTSIAMBOLA – TAONA 2024 : Tombanana ho maherin’ny 1 500 miliara Ar ireo vola maloto nihodina
Nanao tatitra ny asa vitany ny taona 2024 ny Sampandraharaha Iadiana amin’ny famotsiambola sy ny famatsiambola ireo asa fampihorohoroana (SAMIFIN) omaly. Nivoitra tao anatin’izany fa manodidina ny 1 500 miliara Ariary ireo vola maloto ahina ho nihodina teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa, raha toa ka olona manodidina ny 45 no voasazy noho ny raharaha famotsiambola, izay niakatra teo anivon’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (PAC).
Sehatra maromaro no tena ahitana ny fivezivezen’ireo vola ahina ho vola maloto, ka heverina ho misy endrika famotsiambola eto amintsika. Voalohany indrindra amin’izany ny tsy fandoavana hetra, indrindra amin’ireo fanafarana entana avy any ivelany. Misy koa olona manafatra entana saingy tsy mandalo amin’ny fanakalozam-bola manara-dalàna ka azo adika ho vola maloto avy hatrany izany, araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Iadiana amin’ny famotsiambola sy ny famatsiambolan’ny asa fampihorohoroana (SAMIFIN), Mamitina Rajaonarison. Ankoatra ireo, misy ireo orinasa izay minia tsy mandoa hetra, ka rehefa vita ny asa ataony dia manjavona miaraka amin’izay koa ilay orinasa.
Raha ho an’ny taona 2024 fotsiny, noho izany, dia manodidina ny 1 500 miliara ariary teo ho eo ireo vola ahina ho maloto nivezivezy teto amintsika. Raha miainga amin’ny antontanisa avy eo anivon’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), dia olona manodidina ny 45 no voasazy tamin’ny raharaha famotsiambola ny taona 2024. Raha toa ka manodidina ny efatra kosa ireo orinasa nosazina.
Ho an’ny teo anivon’ny Sampandraharahan’ny Hetra dia vola manodidina ny 2,7 miliara ariary no tafaverina taorian’ny fanadihadiana nataon’ny SAMIFIN tamin’ny resaka famotsiambola. Nanamafy moa ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN fa efa mihatsara ny fomba fiasa sy fiarahamiasa eo amin’ireo polisy sy zandary mpanao fanadihadiana, ary eo koa ireo mpisehatra samihafa izay mety afaka mifanome tanana amin’izany ady amin’ny famotsiambola izany, ka izay no antony hahazoana vokatra tahaka izao.
Fahombiazana ho an’i Madagasikara
Tao anatin’ny tatitra omaly no nampahafantaran’ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN, fa fahombiazana ny nahazoan’i Madagasikara “recommandation“ miisa 11 tamin’ny fanombanana farany natao ho antsika tamin’ny taona 2024. 28/40 izao ny naotintsika eo anatrehan’ny ESAAMLG sy ny GAFI. 12 sisa no enjehintsika amin’ity 2025 ity mialohan’ny iatrehantsika ny tombana amin’ny taona 2026.
“Vitantsika ny nametraka drafitra fanomanana an’io tombana amin’ny 2026 io. Efa voazara ny task force hanatanteraka azy, izay tsy ny SAMIFIN irery ihany fa tafiditra ao anatin’io avokoa izay manana andraikitra rehetra anatin’ny fanjakana na any amin’ny sehatra tsy miankina”, hoy ny fanazavana.
Ny mbola mila fanatsarana ho antsika eo Madagasikara manokana dia ny fiantraikan’ny ady. Mbola sahirana isika tamin’ny fanombanana teo aloha amin’izay lafiny izay, hoy ny fanazavana. Amin’ity 2025 ity isika tena mila ezaka mafy maneho fa mipetraka ny ady amin’ny famotsiambola eto Madagasikara.




