Songadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY FANOLANANA SY FANARARAOTANA ATAON’OLOM-PADY: Nanamafy adisisika ny hetsika ara-kolontsaina natao

Manohana ny fisitrahana zo ara-pananahana sy ny ady amin’ireo herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny zatovovavy malagasy ny hetsika Nifin’Akanga, tohanan’ny “Amplify Change”. Ho fanatanterahana ireo hetsika mifandraika amin’izany dia antontanisa nivoaka avy amin’ny fanadihadiana notanterahan’ny Nifin’Akanga tamin’ny taona 2020 ny hoe vehivavy 6 amin’ny 10 eto Madagasikara no nanambara fa efa niharan’ny herisetra nandritra ny androm-piainany. Raha ny antontanisan’ny OMS kosa dia vehivavy 1 amin’ny 3 no efa niharan’izay herisetra izay. Midika izany fa ambony ny antontanisa ary mbola maro ireo vehivavy mizaka ny tsy rariny. Izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa Rakemba eo anivon’ny hetsika Nifin’Akanga. Tetikasa mifototra amin’ny fanaovana adisisika sy fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo mpisehatra eny ifotony mahakasika ny zo ho an’ny fahasalamanana ara-pananahana mampiaty, indrindra momba ny ady amin’ny fanolanana sy ny fanararaotana ataon’olom-pady.

Paikady ampiharin’ny Nifin’Akanga, araka izany, ny fanatanterahana adisisika sy fanentanana amin’ny alalan’ny hetsika ara-kolontsaina. Nafonja ny hafatra nampitain’ny hetsika notanterahan’izy ireo teny amin’ny “Cité des Cultures” Antaninarenina tamin’ny sabotsy lasa teo. Tanjona, hoy ny fanazavana nentin’i Tsila Njariniaina mpandrindra tetikasa, ny ampitana amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany fa fotoana izao hiresahana mahakasika ny ady amin’ny herisetra. Araka izany, nentina nanokafana ny hetsika tamin’io sabotsy io ny dihy mirindra teo ambonin’ny hira fanentanana, nataona andiana tanora mpandray andraikitra. Narahan’ny fandefasana horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Tantarako Mboty”. Horonantsary mirakitra ny fijorona vavolombelon’ireo vehivavy niharan’ny herisetra tany amin’iny Faritra SAVA iny, ary maneho fa maika ny fiovana eo amin’ny lafiny ara-tsaina mba hampitsaharana ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Nampiavaka ny hetsika ny “ôka eky zay”, mampifangaro dihy, seho an-tsehatra sy mozika ataon’ireo mpanakanto avy any Atsinanana. Tanjon’izy ireo ny hanamafy fanentanana amin’ny fampitsaharana ireo herisetra ara-nofo mahazo ny vehivavy sy midera manokana ireo rehetra tafavoaka tao anatin’io ady io.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer