PolitikaSongadim-baovao

ADY AMIN’NY FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Hatsaraina ny famantarana ofisialin’ireo “valise diplomatique”

Nisantatra ireo lohahevitra nifampiresahana nandritra ny filankevitry ny Minisitra nandeha nivantana tamin’ny Haino aman-jerim-panjakana omaly ny mahakasika ilay trangana fikasana hanondrana volamena 53,7kg teny Ivato, ny 23 desambra 2024, ka nampiasana « valizy diplaomatika » hosoka tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary tra-tehak’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Fadintseranana malagasy.
Nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tao anatin’ny fampitana am-bava nataony, fa noho ny angom-baovao azo antoka sy ny fomba fiasa vaovao napetraka, dia tratra ireo nahavanon-doza. Araka izany, efa nametraka fitoriana avy hatrany ny minisiteran’ny raharaham-bahiny vantany vao niseho ny tranga fanaovana hosoka. Maro ireo fepetra noraisina, anisan’izany ny fandroahana avy hatrany ireo olona voakasika ary nampidirina amponja izy ireo. Namafisina ihany koa ny fepetra sy fenitra rehetra mahakasika ny « valizy diplaomatika ».
Fepetra maromaro
Anisan’ireo fepetra noraisina ihany koa taorian’ireny tranga ireny ny fanamafisana ny rafitra sy fampatsiahivana ny maha saropady ny fikirakirana ny “valise diplomatique”, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny fadintseranana. Noraisina koa ny fepetra nanovàna ny tompon’andraikitra misahana ny arofenitra, ny fanamafiasana ny fiaraha-miasa amin’ireo sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly, ary ny fanatsarana ny famantarana ofisialy ny “valise diplomatique”. Ankoatra ireo, hamafisina koa ny famerenana ireo pasipaoro ofisialy ho an’ireo nahavita iraka sy ny lany daty, sy ny fanitsiana ny didy hitsivolana mahakasika ny pasipaoro diplaomatika.
Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer