PolitikaSongadim-baovaoToekarena
ADY AMIN’NY FIOVAOVAN’NY TOETR’ANDRO – COP 27: Niantso ny firenen-drehetra hanatanteraka ireo fanamby efa noraisina ny Filoha
Nandray fitenena nandritra ny fivoriana an-tampony andiany faha-27 amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro na COP27 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Nohantitranteriny tao anatin’ny lahateny nataony ny tokony hanatanterahin’ny firenen-drehetra ny fifanekena efa natao nandritra ireo fivoriana an-tampony tany aloha. Ary indrindra ny famoahana ny vola ao amin’ilay tahiry maitso ho an’ny toetr’andro izay tokony hisitrahan’ny firenena andalam-pandrosoana, toa an’i Madagasikara.
Tsy takona afenina intsony ny voka-dratsin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ankehitriny. “Misy ny haintany, eo koa ny tondra-drano. Mampihena ny voka-pambolena ny fahasimban’ny voly. Lasa matetika ny fiforonan’ny rivodoza, ary miha mahery vaika. Manimba ny fambolena sy ny fotodrafitrasa koa ny tondran-drano. Manimba ny tanintsika ny doro tanety. Raha fehezina dia may ny tanintsika. Miha simba ny rohivoary”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, omaly teo anoloan’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana maro mandray anjara ao anatin’ny COP27. Notsindriany anefa fa tsy maharaka izay fahasimban’ny tontolo iainana izay ny famatsiambola sy ny asa atao manerantany ankehitriny. Araka izany, ireo firenena andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara no tena mizaka ny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana izay mahatonga ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Teo anatrehan’izany, nohamafisin’ny Filoham-pirenena ny adisisika izay efa nataony tamin’ny COP26 tamin’ny taon-dasa, ka namerenany ny antsony tamin’ireo firenen-drehetra ny hanohanan’izy ireo ny ady ataontsika amin’ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetry ny andro, mba hisian’ny fanapahan-kevitra mivaingana hanatsarana ny fiarovana ny tontolo iainana mba ho tombontsoan’ny rehetra.
Navoitran’ny Filoha tao anaty lahateniny fa na dia sokajiana ho marefo aza i Madagasikara, dia isan’ireo firenena dimy voalohany nanomboka ny REDD+. Efa mihatra nanomboka tamin’ny taona 2021 ihany koa ny « Plan National d’Adaption ». “Ny firenena malagasy dia miray feo miaraka amin’ireo firenena rehetra mijaly noho ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ary miantso ny hanafaingana sy hanamorana ny famoahana ny « fonds vert climat »”, hoy ny fanambarana.
Fepetra fampifanarahana
Tetsy ankilany, nandray anjara tamin’ny hetsik’ireo mpitarika mitondra ny lohahevitra « accélérer l’adaptation en Afrique » ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 8 novambra 2022, izay tafiditra ao anatin’ny fihaonana an-tampony COP27 momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro any Sharm El Sheick, Egypte. Ity hetsika ity dia nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina, sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ary mikendry ny hampiseho ny fandraisan’andraikitra sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny fanafainganana ireo fepetra momba ny « adaptation » na ireo fepetra fampifanarahana an’i Afrika manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro.
Nandritra ny anjara fitenenany no nanambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa ny firaisan-kina no tokony hitondra ny ady iombonana, dia i Afrika miarin-doha manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Tompon’andraikitra amin’ny 3% ny entona mangeja hafanana ny kaontinanta afrikanina, nefa izy no voalohany mizaka mivantana ny loza ateraky ny fiovaovan’ny ny toetrandro, hoy ny Filoha. Tokony ho ivon’ny paikady amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, hoy hatrany izy, ny hanafainganana ny hamatsiana ny « adaptation », araka ny fifanarahana tany Paris sy tany Glasgow.
Nambaran’ny Filoha fa ho an’i Madagasikara manokana dia efa misy ireo tetikasa miahy ny tontolo iainana voarakitra ao anatin’ny PEM. Anisan’izany ny fandaharanasa « clean cookin » izay hampihena ny fampiasana arina fandrehitra, eo ihany koa ny fampitomboana ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo madio sy azo havaozina, ny fizarana ireo « kits solaires » amin’ireo tokantrano manerana ny Nosy ary mba hahafahan’ny Faritra Atsimo misitraka rano dia efa misy ihany koa ny tetikasa fitarihan-drano lehibe mirefy 97km, araka ny tatitra hatrany.
Tsara ho fantatra fa ankoatra ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ary ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, dia isan’ireo mandrafitra ny Delegasiona tarihin’ny Filoha any Ejipta ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo.




