Songadim-baovao

Ady amin’ny gaboraraka sy kolikoly : Nohatsaraina ny fomba fiasan’ny Foibe fitsarana fiarakodia ao Toliara

Nirosoana ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny milina maoderina fanontana takelaby, tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana omaly, izay notanterahin’ny Foibe fitsarana fiarakodia. Tsy nohadinoin’ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia ny nihaona ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony ho fanatsana ny fomba fiasa, iadiana momba ny ady amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly…

Ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia noraisin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Ankoatry ny fitsidihana ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia sy ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny milina maoderina fanontana takelaby na « appareil duplicateur informatisé de plaque châssis ». Anisan’ny niompanan’ny iraka tontosain’ny Tale jeneraly ny Foibe Fitsarana fiarakodia, ny Jly Nicolas Tsirivelo, ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ireo manampahefana sivily sy miaramila ao amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana, izay nahitana ny Governoran’ny Faritra, ny Prefe, ny Ben’ny Tanàna ny Kaominina ambonivohitra Toliara, ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Jly Kaomandin’ny fari-piadidiana ny Zandarimariam-pirenena, ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka. Voaresaka nandritra ny fihaonana notanterahina ny afakomaly, ireo ezaka samihafa notanterahin’ny Foibe fitsarana fiarakodia ho fanatsarana ny fomba fiasa, toy ny fialana amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly amin’ny endriny samihafa. Eo  koa ny ady atao amin’ny hosoka sy fampiasana hosoka. Ny fampitomboana ny fitsirihana tampoka eny an-dalambe na « contrôle inopiné » iarahana amin’ny mpitandro filaminana ho fampanarahan-dalàna ireo fiara, mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika.

Fitaovana manaraka ny teknolojia

Tsy  nohadinoina koa ny fanatsarana ny fitaovana enti-miasa hifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia. Anisan’izany ny fampitaovana ny « appareil duplicateur informatisé de plaque châssis » ho an’ny Ivon-toerana Toliara. Marihina fa samy nametrahana ity fitaovana arifomba vaovao ity avokoa amin’izao dingana voalohany izao ny Ivon-toerana miorina amin’ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara. Ny fandraisana anjara amin’ny  fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ireo fiarakodia mamoaka setroka tafahoatra. Ny fandrindrana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra  voakasiky ny fifamoivoizana. Nampahatsiahivina  koa ny tsy maintsy anaovana fitsirihana ara-teknika ireo.fiaram-panjakana rehetra. Goavana ny fampiasana ny « logiciel d’application Android « hanampy amin’ny fanaraha-maso sy fanadihadiana momba ny fiara. Ny fangatahana fiaraha-miasa manokana amin’ireo mpitandro  filaminana, izay misahana ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana, mba ho hentitra amin’ny fisavana satria  betsaka ireo fiara ratsy sy tsy ara-dalàna amin’ny  lafiny fitsirihana ara-teknika, nefa mbola mifamoivoy an-kalalahana eny an-dalambe ka ahina hitera-doza.

Fermer