SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY HERISETRA ARA-NOFO : Nohamafisina ny fanentanana tetsy amin’ny Epp – Ceg Soamandrakizay

Nandritra ny fotoana fanokafana ara-pomba ofisialy ny taom-pianarana 2020-2021 amin’ireo sekoly manarapenitra 15, tetsy Soamandrakizay, omaly, no nanaovan’ny Fikambanana Fitia indray ny fanentanana ho an’ireo kilonga madinika mahakasika ny herisetra ara-nofo. Fotoana izay natrehin’ny Filoham-pirenena sy Ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina, izay sady masoivohon’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy. Nandritra izany no nampahafantaran’ny Fikambanana Fitia ireo tokony hatao rehetra hisorohana ny trangana herisetra ara-nofo. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy tokony hitoeran’ny zaza irery amin’ny toerana mangingina, indrindra rehefa lavitra ny ray aman-dreny. Eo koa ny tsy tokony hiresadresahana amin’ny olona tsy fantatra, na iza na iza. Ankoatra izay, nampahafantarina ireo ankizy fa tsy tokony ho kitikitihana ny faritry ny taovam-pananahana, ary tsy tokony havela ho kitihan’ny olon-kafa ihany koa, na dia havana akaiky aza izany. Nambara tamin’ireo kilonga ihany koa ny toerana sy ny olona azo atonina raha sendra misy mitady anao herisetra ara-nofo amin’izy ireo. Isan’izany ny lehiben’ny fokontany, ny mpitandro filaminana, ny Fikambanana Fitia etsy Mahamasina. Azo atao ihany koa ny miantso ny laharana 813, maimaim-poana ary tsy ilàna fahana.  Nentanina koa ireo ankizy mba hizara ny fanentanana amin’ireo ankizy hafa naman’izy ireo avy.

Ankoatra izay, amin’ny maha sekoly ity notsidihana ity dia nilaza ny vadin’ny Filoham-pirenena fa manana adidy amin’ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra ara-nofo koa ireo mpanabe any an-tsekoly. Nisy rahateo peta-drindrina na “affiche” napetraka isaky ny lakilasy hahafahan’ireo ankizy mitadidy ireo tokony hatao rehetra manodidina ny herisetra ara-nofo.

Fermer