Songadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY HERISETRA ATAO AMIN’NY VEHIVAVY: Efa maro ireo sahy mitoroka, hamafisina ny fanentanana

Notanterahina omaly Alatsinainy 25 Novambra 2024 teny amin'ny kianjan'ny hira gasy Ampefiloha ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra amin'ny vehivavy. Toy ny isan-taona dia manamarika ity orange day ity isika eto Madagasikara teo ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, izay sady tompondakan’ny ady amin'ny VBG eto Madagasikara, Ramatoa Mialy Rajoelina.

“Mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra”, io no lohahevitry fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra amin’ny vehivavy ny amin’ity taona ity. Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana izany isika teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny hetsika natao tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy, izay notarihin’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina.
Ho antsika eto Madagasikara manokana, 50,6% amin’ny mponina no vehivavy sy tovovavy, izany hoe manodidina ny 14 tapitrisa. Araka ny antontan’isa hatrany dia vehivavy 1 amin’ny 3 no iharan’ny hersietra na efa niharan’ny herisetra nandritra ny androm-piainany. 13,7% amin’ny vehivavy no iharan’ny herisetra ara-nofo. Ny loko volomboasary no nosafidiana maneran-tany hanehoana izany ady amin’ny herisetra izany ho fiarahamientana amin’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina. Ka ny loko volomboasary dia maneho ny fanantenana ho an’ny hoavy mamiratra ho an’ireo vehivavy. “Ny vehivavy no mariky ny herim-po. Ny vehivavy no manome aina, manabe, mamolavola sy miantoka ny hoavin’ny taranaka ary isika tsirairay avy dia natera-behivavy avokoa. Izay no mahazava-dehibe ny fanomezana hasina sy fiarovana ny Zon’ny vehivavy”, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina, raha nandray fitenenana.
Nivoaka tamin’ny fahanginana
Nanomboka ny taona 2019 dia nosafidian’ny rantsan’ny Firenena mikambana misahana ny mponina na UNFPA ho “championne” na tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy na ny VBG Ramatoa Mialy Rajoelina vadin’ny Filohan’ny Repoblika. Anisan’ny nivoitra nandritra izay fotoana izay ny nandanian’ny Parlemanta ny lalàna mifehy ny ady amin’ny VBG izay efa mihatra ankehitriny, sy ny fijoroan’ny « centre de prise en charge integré » izay natsangan’ny Association Fitia etsy Mahamasina. Fa ny fijoroana sy fanentanana izay nataon-dRamatoa Mialy Rajoelina tao anatin’izao fotoana izay ihany koa dia nahafahan’ny vehivavy rehetra nanao dingana; nivoaka tamin’ny fahanginana sy sahy nitoroka ny herisetra mahazo azy ireo. Tsy izy ireo ihany fa na ireo mpiara-monina ihany koa aza dia nivoaka tamin’ny fahanginany.
Araka ny tarehimarika navoakan’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, teo anelanelan’ny taona 2019 nijoroan’ny ivon-toerana etsy Mahamasina ka hatramin’ny Volana oktobra 2024 dia efa 13 854 ireo trangana herisetra voaray ary maherin’ny 10 796 ireo noraisina an-tanana sy nahazo fanohanana samihafa eo amin’ny lafiny fampivelarana manokana, ny fitantanana, fandrindram-piterahana, ny fampiofanana zaitra sy petakofehy, fianarana mahandro.
16 andro enti-miady amin’ny herisetra
Nampiavaka ity « orange day 2024 » ity ny fampiarahana ny fanentanana ny herisetra tamin’ireo lohahevitra hafa : ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA, ny ady amin’ny zavamahadomelina sy ny alikaola, ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza.
Ny orange day ihany koa moa dia fotoana hanombohana ny 16 jours d’activisme izay hanaovana hetsika mivaingana mandritra ny 16 andro entina miady amin’ny herisetra. Ho amin’ity taona ity dia misy ny fanentanana ireo tanora hamoaka amin’ny rindriny isan’andro hatramin’ny 10 desambra ireo fanamby manokana mifandraika amin’ny iray amin’ireto lohahevitra ireto : hafatra fanehoana firaisankina ; sary maneho asa misy fiantraikany lehibe ; na tranga vaovao mahaliana. Tanjona dia ny handrakofana hevitra miabo anaty firaisankina ny tambazotran-tserasera mba ho fiarahamientana hatrany amin’ny ady amin’ny herisetra. Ho an’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika kosa dia hanohy ireo hetsika entina miady amin’ny herisetra izy amin’ity herinandro ity.
Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer