SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY HERISETRA: Nahazo famatsiam-bola 24 500 Dolara ny tetikasa “Women Break the Silence”
“Mahafaly ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro ny manambara fa i Marie Christina Kolo sy ny ekipany dia isan’ireo nofantenan’ny Departemantam-panjakana Amerikana hisitraka ny famatsiam-bola Alumni Engagement Innovation Fund (AEIF) 2020 ho an’ny tetikasan’izy ireo “Women Break the Silence.”, io no fampitam-baovao avy amin’ny Masoivoho amerikanina omaly. Io famatsiam-bola io izay hitentina hatramin’ny 24 500 Dolara. Araka ny fanazavana, amin’ny volana janoary izao no hanomboka io tetikasa io izay natao hanolo-tanana ireo lasibatry ny herisetra ara-nofo sy hiady amin’ny takaitra navelan’izany ary ny hampahafantatra ireo lalana entina miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy. Hifantoka eto Antananarivo, Antsiranana, Toamasina, Ambovombe, Fianarantsoa, sy Nosy Be ary Mahajanga ny tetikasa. “Ny tanjona dia ny hanampy ireo nianjadian’ny herisetra hiala amin’ny fiheverana ny tenany ho lasibatra ary hihevitra ny tenany ho toy ny nandresy fisedrana” raha ny fanazavan’i Marie Christina Kolo izay namorona ny tetikasa.
Vina ny hanangana ivon-toerana
Araka ny fanazavana, hoentina hanangonana fijorona vavolombelona sy antontam-baovao momba ny herisetra ara-nofo eny amin’ny lisea sy ny oniversite ity tetikasa nahazo ny famatsiam-bola AEIF ity. Ireo antontan-kevitra ireo avy eo no hampiasana hamokarana fitaovana samihafa hanentanana momba ny herisetra ara-nofo sy hanampiana ireo nianjadian’izany hahay hamadika ny pejy. Ao anatin’ny fikasan’ity ekipa ity ihany koa ny hanangana ivon-toerana iray handraisana na koa hampiantranoana ireo niharan’ny herisetra noho ny maha-lahy na ny maha-vavy.
Tsara ho fantatra fa I Marie Christina Kolo dia sady mampiroborobo ny seha-pihariana mampivoatra ny vehivavy no mandraharaha eo amin’ny sehatra sosialy no ihany koa isan’ireo mafana fo eo amin’ny sehatry ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro ary voafantina hisitraka ny vatsim-piofanana Mandela Washington Fellow tamin’ny taona 2018. Ny taona 2018 izy dia isan’ireo nanangana ny Ecofeminism Madagascar izay vovonam-pirenena mampiroborobo ny fandraisana anjaran’ny vehivavy ao anatin’ny ady hevitra momba ny fiovaovan’ny toetrandro. Kolo ihany koa dia nanangana ny Green N Kool, izay orinasa miasa miaraka amin’ireo vehivavy marefo sy vehivavy mpivaro-tena teo aloha. Na izany aza, niara-niasa tamina tanora mpitarika Malagasy hafa i Kolo tamin’ny fananganana ny tetikasa Women Break the Silence. Isan’izany Riambelo Onjaniaina Rasamimanana, Daniela Loberline Ratiarisoa, Tsimihipa Andriamazavarivo ary Rado Harintsoa Rakotosamimanana izay samy nandray anjara tamin’ny fandaharanasan’ny Departemantam-panjakana Amerikana Young African Leaders Initiative na YALI. “Nandeha ho azy ny fifanohanana teo aminay. Mitovy ny tanjona izahay ary samy mametraka ny fiaraha-miasa ho eo ambonin’ny fifaninanana” raha ny fanazavan’i Onjaniaina Rasamimanana, iray amin’ireo mpikambana, mpahay lalana ary mpitarika ny Women Lead Movement eto Madagasikara.




