PolitikaSongadim-baovao

ADY AMIN’NY HOSOKA SY NY FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Fahasahiana politika goavana ny nametrahana ny ANAF

Araka ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra, ny 13 Janoary 2021 teo, noraisina ny didim-panjakana mametraka eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny ANAF na ny “Agence Nationale Anti-Fraude” mba hanara-maso ireo hosoka sy hanenjehana ireo mpanao hosoka araka izay voafaritry ny lalàna. Nitondra fanazavana mahakasika io indrindra ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly. Fotoana izay nilazany fa fahasahiana politika goavana no nananan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fananganana io rafitra vaovao io.

Hanao ny fanadihadiana rehetra manodidina ireo karazana hosoka misy eto amin’ny tany sy ny firenena ny ANAF ary hiara-hiasa akaiky amin’ireo sampan-draharaham-panjakana mahefa mpampihatra ny lalàna, araka ny fahefana nomen’ny lalàna azy ireny, hoy ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra. Isany raharaha voalohany hanaovan’ity rafitra vaovao ity fanadihadiana, noho izany, ny raharaha volamena 73,5Kg, araka ny fanazavan’ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika, Lova Hasinirina Ranoromaro, omaly.

Tetsy ankilany, ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo dia nanazava fa an-taoniny maro ireo volamena mivoaka an-tsokosoko eto Madagasikara nandritra ny taona maro. Na koa, tsy nivoaka an-tsokosoko fa nahazoana alalana, saingy tsy nanao “rapatriement de devise” na mamerim-bola eto Madagasikara ny tompon’ny entana avy eo. “Tsara ho fantatra fa rehefa manondrana entana ny mpandraharaha iray, dia misy vola aloa any amin’ny Fanjakana, misy koa fahazoan-dalana azo avy amin’ny Fanjakana, ary manao ny fanondranana avy hatrany. Ny vola azon’io mpandraharaha io kosa anefa, rehefa maha hodina ny fandraharahana ataony izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia didin’ny lalàna izy hampody ny vola azony eto Madagasikara, izay ilay antsoina “Rapatriement de devise”, araka ny fanazavany. Tsara marihana fa matetika an-jatony tapitrisa hatrany ny vola azon’ny mpandraharaha iray rehefa manondrana entana mankany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Notsindrian’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta anefa fa heloka eo anatrehan’ny lalàna ny fanajanonana ny vola any ivelany kanefa entana teto Madagasikara no nahazoana izany.

Niaina kolikoly hatramin’izay

Nazavain’ity tomponandraikitra ity fa nandritra ny taona maro dia niparitaka ny vola tokony hiverina eto Madagasikara. Hany ka mahantra lalandava ny firenena satria ny harena lasa mivoaka any ivelany fotsiny. “Sambany, ary tena zava-dehibe ny fanapahan-kevitra hanangana ny rafitra hanara-maso izany, dia ny ANAF”, hoy izy. Izany hoe, ireo sampan-draharaham-panjakana rehetra miandraikitra ny resaka fanondranana sy fanafarana entana eto amintsika, indrindra ireo misahana ny loharanon-karena stratejika, dia ho eo ambany fanarahamason’io rafitra io avokoa.  “Kolikoly hatrany no niainantsika teto hatramin’izay. Tsy averina eto an-tanindrazana fa alefa any amin’ny “Paradis fiscaux”, ohatra, ny vola. Fahasahiana ara-politika lehibe, noho izany, ny nametrahan’ny Filohan’ny Repoblika ny ANAF”, hoy ny fanazavany.

Anjara asan’ny ANAF

Hametraka ny paikady rehetra iadiana amin’ny hosoka ity rafitra vaovao vao natsangana ity. “Ny asa rehetra manodidina ny ady amin’ny hosoka, izay ataon’ny Bianco, Samifin, sy ny sisa hafa dia eo ambany fandrindran’ny ANAF”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Ny fijerena, ny fanangonana, ny fitrandrahana ny torohay izay azo manodidina ny antontan-taratasy iray ahiahiana ho hisy hosoka, ka misy fiantraikany amin’ny volam-panjakana, dia anjara asan’ny ANAF avokoa. Natao hitaky ny vola tokony hiverina eto Madagasikara ihany koa ny ANAF. Hisy mihitsy dingana ara-pitsarana mifandraika amin’izany. Ankoatra izay, hisy koa fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Interpol. Marihana fa raha ohatra ka manao fanadihadiana ny ANAF ka tena mitombona tokoa fa misy fahaverezam-bola teo amin’ny sampan-draharaham-panjakana iray, dia afaka mitondra ny raharaha eo anatrehan’ny fitsarana izy. Afaka maka ihany koa ny fananan’ilay olona izay ahiahiana ho nanao ny hosoka. Ary koa, afaka mandray ny fepetra rehetra araka ny lalàna amin’ny famerenana ny volam-panjakana ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, izay verin’ny hosoka.

Fermer