PolitikaSongadim-baovao

ADY AMIN’NY KOLIKOLY ETO MADAGASIKARA: Mitohy hatrany ny fanatsarana ny rindrambaiko SIIGAC

Rindrambaiko novolavolain’ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité-CSI) entina hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny SIIGAC na “Système d’Information Intégré de la Gouvernance et de l’Anti-Corruption”. Ny volana desambra 2022 no napetraka sy nanomboka niasa io rindrambaiko io. Hita ao rehefa torohay sy antotanisa rehetra mahakasika ny ady amin’ny kolikoly sy ny Fitondrana tsara tantana. Ahafahana mitondra fitarainana momba ny fahitana trangana kolikoly ihany koa izy sy manaraka ny fizotry ny fandraisana an-tanana izany. Rehefa izany, fitaovana iray enti-mandrefy sy manombana ny ady amin’ny kolikoly, ny fahaiza-mitantana ny raharaham-panjakana, ary manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny SIIGAC.

Herintaona amin’ny volana desamba 2023 ho avy izao, araka izany, no niasan’ity rindrambaiko ity. Nisy ny atrikasa nentina nanombanana ny fiasany sy hitondrana fanatsarana amin’ny ho avy. Nandray anjara tamin’io atrikasa fanaovana tombana io ireo sampana rehetra loharanon’antotanisa izay ahitana Ministera miisa sivy laharam-pahamehana ao anatin’izay ady amin’ny kolikoly izay, miaraka amin’ireo sampandraharaha miady amin’ny kolikoly hafa, sy ireo izay misehatra amin’ny fanaraha-maso ny volam-panjakana. Nisongadina tao anatin’ny tombana, noho izany, fa mbola tsy tena marin-toerana tsara ity rindrambaiko ity (taux de réponse 46%). Mbola misy ihany koa ireo sakantsakana maromaro mbola mila hoarina, na eo aza ireo ezaka maro efa hatonton’ireo sampana loharanon’antotanisa.
Manoloana izany indrindra, mitohy hatrany ny fanatsarana ny rindrambaiko SIIGAC. Havondrona sy ho dinihana ireo hevitra rehetra nivoaka tamin’io fotoana nanaovana tombana io. Ahafahana manana antotan-kevitra azo antoka ny fanaovana izany. Manomana ny fivoaran’i Madagasikara ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ihany koa.

Sarobidy Sidonie.

Fermer