
PolitikaSongadim-baovao
ADY AMIN’NY KOLIKOLY, FANJAKANA TSARA TANTANA: Firenena tsara toerana hahazo tohana avy amin’ny “MCC” i Madagasikara
Nihaona tamin-dRamatoa Alice Patterson Albright, Filoha Tale Jeneralin’ny Millenium Challenge Corporation (MCC) ny delegasiona malagasy notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny Alakamisy 21 Aprily teo tany Washington DC. Narahabain’ity tomponandraikitra ity manokana ny ezaka sy ny fandraisana anjaran’ny Filohan’ny Repoblika momba ny ady amin’ny Kolikoly eto amin’ny tany sy ny firenena, ka maha tsara toerana an’i Madagasikara amin’ny fisitrahana ireo tohana ao amin’ny “MCC”.
Sampandraharahan’ny Governemanta amerikana izay manohana ireo firenena an-dalam-pandrosoana amin’ny ady amin’ny fahantrana amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-bola mba hanafaingana ny fitomboana ara toekarena ny Millennium Challenge Corporation – MCC. Ny alakamisy 21 Aprily 2022 teo, nihaona tamin’ny Filoha Tale Jeneralin’ity rafitra ity, Alice Patterson Albright, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Washington DC. Nampirisika ny Fitondram-panjakana malagasy hanohy ny ezaka efa ataony ho an’ny fampandrosoana, Ramatoa Alice Patterson Albright, ary niarahaba ny Filoham-pirenena amin’ny fandraisany anjara manokana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa fa ny ady amin’ny kolikoly dia anisan’ireo laharam-pahamehana ilofosany sy ny Fitondram-panjakana izay tarihiny. Mameno ny antsasa-manilan’ireo fepetra takian’ity sampandraharaha amerikana ity i Madagasikara ankehitriny, ary tsara toerana noho izany amin’ny hidirany amin’ny lisitr’ireo Firenena tsara toerana amin’ny fahazoana ny fanohanana avy amin’ny MCC.
“Nataoko laharampahamehana sy nanomezako toromarika manokana raha vao nandray ny fitantanana ny firenena aho ny hanaovana ny ezaka rehetra hamongorana ny kolikoly sy ny hametrahana ny fanjakana tsara tantana…Hita maso ny ezaka ataontsika amin’ny fametrahana ny tany tan-dalana, ny fanjakana marin-toerana sy ny fanajana ny demokrasia hoy ny Tale Jeneralin’ny MCC, Alice Patterson Albright”, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Filoha.
Fitoniana ara-politika
Notsindrian’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fihaonana fa ankoatra ny Fanjakana tsara tantana dia anisan’ny tombony ho an’i Madagasikara ihany koa ny fametrahana ny fitoniana ara-politika teto amin’ny firenena. Izany no mamparisika ny mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika, ho avy eto Madagasikara. Manaporofo izany koa ny filaharana izay azon’ny firenentsika tamin’ny 2020 mahakasika ny fampiharana ny demokrasia aty Afrika, izay nahazoan’i Madagasikara laharana fahafolo amin’ny firenena 50. Filaharana izay navoakan’ny “Economist Intelligence Unit”.



