Songadim-baovao
ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Nahazo ny laharana voalohany ny Zandary ao Mahajanga
Notontosasina tao Mahajanga ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly, ny 8 sy ny 9 desambra lasa teo. Nisy ny hetsika natao tamin’ny alalan’ny fifaninanana momba ny ady amin’ny kolikoly. Nahazo ny laharana voalohany ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Mahajanga, teo amin’ny Asam-panjakana…
Notanterahina tao Mahajanga ny 8 sy 9 desambra lasa teo, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly, ho an’i Madagasikara. Tafiditra tao anatin’ny hetsika ny fifaninanana mikasika ny ady amin’ny kolikoly teo anivon’ny sekoly, teo amin’ny mpisehatra an-gazety ary ireo sehatry ny asam-panjakana. Nahazo ny laharana voalohany ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Mahajanga, teo amin’ny Asam-panjakana. Lohahevitra nandritra ny fifaninanana ny hoe : Asam-panjakana lavitry ny kolikoly, manome fahafaham-po ny mpanjifa ». Anisany nahazoany izany ny fametrahana rantsa-mangaika miady amin’ny kolikoly « Cellule anti-corruption » hatrany amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena. Fanamafisan-peo lehibe iray manana tanjaka 4200 volts ary azo entina mandehandeha no loka azo tamin’izany miaraka amin’ny « micro sans fil» iray.
Nisy ny fitsidihan’ny Tale jeneralin’ny Bianco ny Toby Jean Philippe, ny harivan’ny alarobia 9 desambra, ary nijereny ifotony ny fomba ahitana taratra ny ady amin’ny kolikoly ataon’ny Zandarimaria, na tao anatiny na tety ivelan’ny birao izany. Niampy fanazavana tamin’ny ankapobeny ny fanatanterahana izany ady amin’ny kolikoly izany. Tamin’ny ezaka fanarahana sy fanatanterahana ireo teny midina avy amin’ny ambaratongam-pifehezana eo anivon’ny zandarimaria.
Fitaratra momba ny ady amin’ny kolikoly
Hotohizina sy hohamafisina hatrany ny ady amin’ny kolikoly ary ny fiaraha-miasa efa matotra eo amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Bianco. Raha noheverina fa lohalaharana teo aloha ny avy amin’ny Zandary momba ny resaka kolikoly, dia izao iaraha-mahita izao fa fitaratra momba ny ady amin’izany izy ireo ankehitriny, vokatry ny ezaka tanterahin’ireo mpitantana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, amin’ny ankapobeny.
Taorian’ny fanokafana ny hetsika amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly, ny andro voalohany. Diabe kosa, no nanokafana ny andro faharoa, sady ivon’ny fankalazana niainga teo amin’ny Lapan’ny tanàna nihazo ny « Complexe sportif » Ampisikina. Nisy ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasana teo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny narahina fanolorana loka ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninanana natao.



