
PolitikaSongadim-baovao
ADY AMIN’NY KOLIKOLY – TELO VOLANA FARANY: 3, 9 miliara Ar mahery ireo fananana nogiazan’ny Bianco
Na dia mbola lavitr’ezaka aza ny famongorana ny resaka kolikoly eto Madagasikara dia misy ny vokatra azo amin’ny paikady tanterahin’ny eo anivon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco). Ity farany izay nanao tatitra ny zava-bita sy ny vokatra azo tato anatin’ny telo volana naha voatendry ny tale jeneraliny vaovao, andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor.
Lohalaharana hatrany amin’ny fahazoana fitarainana amin’ny resaka kolikoly eto amintsika ny tontolon’ny fanabeazana. Manaraka azy ny eny anivon’ny Vondrombahoaka itsinjarampahefana, ary ny resaka fananantany. Ity farany manokana izay efa manimba endrika an’i Madagasikara mihitsy amin’ireny fanaovana tombana iraisampirenena ireny toy ny IPC izay maharatsy naoty an’i Madagasikara matetika.
Ny resaka fanaparam-pahefana, ny fanodinkodinana volam-panjakana, ny kolikoly, ary ny fanaovana hosoka sy ny fampiasana hosoka, ireo matetika no tena vesatra mahazo ireo voapanga amin’ny resaka kolikoly. Amin’ireo voarohirohy kosa dia maro ny mpiasam-panjakana, ankoatra ireo olon-tsotra voasaringotra.
Tambazotra mpangala-tany
Ho an’ny sehatry ny fananantany manokana dia tambazotra mpangalatany miisa 14 no sarona tao anatin’ny telo volana. Araka ny tatitry ny Tale Jeneralin’ny Bianco Razakamanantsoa Gaby Nestor dia any amin’ny manodidina an’Antananarivo Avaradrano no tena maro amin’ireo tambazotra mpangalatany ireo. Marihina fa ao anatin’ny tambazotra iray dia ahitana sokajin’olona maromaro miara-miasa sy miray tendro mba hahatanteraka raharaha iray.
Tsara ho fantatra fa tao anatin’izay telo volana izay dia niisa 906 ireo fitarainana voarain’ny bianco. Niisa 43 kosa ireo olona naiditra am-ponja noho ny raharaha kolikoly, ary 3, 9 miliara ariary mahery ireo fananana azo tamin’ny kolikoly nogiazana. Miisa 438 ireo nanokafana fanadihadiana. 447 ireo raharaha vita fanadihadiana tao anatin’ny telovolana hatrany.
Raha ny tatitra dia nitombo isa ireo nanatanteraka fanambaram-pananana. Efa miisa 13 koa ireo Minisitera manana politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly.
Bianco 20 taona
Notanterahina omaly teny Ambohibao ny lanonana nentina nankalazana ny faha 20 taonan’ny Bianco. Fotoana izay natao indrindra hanaovana tombana ny asa nisongadina nataon’ny Bianco nandritra izay 20 taona nisiany izay, ary voatsindry manokana ny dingana vita nandritran’ny 100 andro niasan’ny Tale jeneralin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly ankehitriny, Razakamanantsoa Gaby Nestor.
Tamin’io lanonana io no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifaninanana haisoratra amin’ny teny Malagasy sy amin’ny teny frantsay izay niraisan’ny tanora maneran’ny Madagasikara anjara. “Miombona amin’ny tanora hanohitra ny kolikoly, hanangana ampitso hanjakan’ny fahitsiana” no lohahevitry io fifaninanana io izay tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly.
LR.




