Songadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY TAZOMOKA: Isan’ireo fanafody nalefa any Ikongo ny “CVO”

Manoloana ny firongatry ny tazomoka misy ao amin’ny distrikan’Ikongo, dia mandray andraikitra feno ny eo anivon’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ireo departemanta isan-tsokajiny voakasik’izany, fa indrindra ny birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ireo mpiara-miombon’antoka sy rafitra samihafa. Tsy niandry ela fa raha vao naharaisana tatitra ny tany amin’ity distrika ity dia nandray andraikitra avy hatrany ny teo anivon’ny BNGRC, nitondra ireo azo hanarenana haingana izay manjo ny mponina. Anisan’izany ny fanafody fanefitry ny tazomoka, toy ny « CVO », izay voka-pikarohana malagasy anisany nanavotr’aina maro nandritra ny firongatry ny Covid-19 teto. Nisy araka izany, hetsika nanentanana sy nanetsehana, ary nanirahana ireo mpitsabo manokana. Nampanarahana azy ireo tamin’izany ny fanafody, toy ny “CVO”. Misy ihany koa ny fanentanana mivantana ifanaovana amin’ny mponina ao ifotony, anentanana azy ireo hampiasa ny fitaovana « Lay misy ody moka », ary koa ny tsy hanaovana « dokotera tena », ary hanatona ny tobim-pahasalamana raha vao miseho ny soritr’aretina tazo. Anisany nanentanan’ny Tale jeneralin’ny BNGRC isan’ireo delegasiona ihany koa, ny fanentanana amin’ny alalana fepetra ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny fahadiovana. Anisan’izany ny fanadiovana faobe sy ny asa sosialy izay nitsinjovana manokana ireo mponina marefo. Tamin’izany koa no nanamafisana ny fanentanana ho amin’ny fandriam-pahalemana maharitra any an-toerana, mba ho fiarovana ny vahoaka sy hanamafisana ny fahavononana amin’ny ady amin’io tazomoka io. Nanainga omaly moa, ireo fiarabe nombana tompon’andraikitra avy amin’ny BNGRC, hihazo ny distrikan’Ikongo, na dia lavitra sy saro-dalana aza ny any an-toerana. Noentanin’ny fitondram-panjakana hatrany moa, fa zava-dehibe sy manan-danja ny fanomezana vaovao marina sy voamarina amin’ny vahoaka, izay entina hisorohana ny fiparitahan’ny vaovao diso sy fanakorontanana.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer