PolitikaSongadim-baovao
ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ETO MADAGASIKARA: Nanome 334 tapitrisa dolara ny BAD, 200 tapitrisa dolara avy amin’ny FIDA
Nahazo fanohanana mitentina 334 tapitrisa dolara avy amin'ny BAD ary 200 tapitrisa dolara kosa avy amin'ny FIDA i Madagasikara ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara, ao anatin’ny fanatanterahana ny "Pacte National sur l'alimentation et l'agriculture". Fantatra ireo taorian’ny fihaonan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ireo mpiara-miombona antoka tany amin’ny fihaonana an-tampon'ireo Mpitondra fanjakana afrikana izay tanterahina any Dakar, nanomboka ny alarobia teo.
Naharesy lahatra ireo mpiara-miombona antoka ny fanoloran-tena sy ny finiavana nasehon’ny Filoha Andry Rajoelina ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo eto Madagasikara, nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta tany amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Mpitondra fanjakana afrikana izay tanterahina any Dakar, nanomboka ny alarobia teo. Anisan’ny ezaka ataon’ny Fitondrana ankehitriny ny fampitaovana toy ny zezika sy masomboly ho an’ireo tantsaha eny ifotony manerana ireo Faritra maro eto Madagasikara, ny fanomezana tany hiasan’izy ireo, ny fametrahana ireo ozinina manodina ireo vokatra amin’ny alalan’ny fandaharanasa ODOF. Ny Fitondram-panjakana ihany koa dia vonona hiara-hiasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa « agro-industriels » izay mifanindran-dalana amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena ny hamokarana eto an-toerana izay rehetra ilain’ny vahoaka Malagasy.
Fampitomboana ny voka-bary
Ankoatra ireo, asa efa nataon’ny Fitondram-pannjakana ankehitriny koa, ao anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny nametrahana ny ozinina Nutrisud any Atsimon’ny Nosy, izay nahafahana nampiakatra hatramin’ny 30% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ho an’ny ankizy. Teo koa ny tetikasa « titre vert » izay efa ahitana fianakaviana mpisitraka miisa 2 000. Izy ireo izay nahazo tany hambolena mirefy 1 000 ka hatramin’ny 5 000m², sy fitaovam-pambolena. Tetsy ankilany, voalazan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ireo mpiara-miombona antoka ihany koa ny fizarana zezika, izay iarahana miasa amin’ny orinasa Ambatovy, ho ana Faritra miisa 11 eto Madagasikara, ho an’ny taom-pambolena 2022-2023. Ity tetikasa farany ity dia tombanana hampitombo ny voka-bary 2,5 ka hatramin’ny 5 taonina isaky ny hektara.
Nanamafy ny fanohanan’izy ireo ny fanatanterahana ireo fandaharanasan’ny Fitondram-panjakana ireo ny Mpiara-miombona antoka, nihaona tamin’ny Filoha, ka nanome fanampiana ara-bola. Tafiditra ao anatin’izany ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) izay nanome fanohanana mitentina 334 tapitrisa dolara, raha toa ka 200 tapitrisa dolara kosa avy amin’ny FIDA. Izany dia ho fanatanterahana ny « Pacte National sur l’alimentation et l’agriculture », araka ny fampitam-baovao.
« Pacte national »
Tsara ho fantatra fa tanjon’ny fihaonana an-tampon’ireo Mpitondra fanjakana afrikana izay tanterahina any Dakar ny mba hanafoana ny fahantrana lalina sy ny tsy fanjarian-tsakafo hatramin’ny taona 2030. Ho fanatanterahana ireo fanamby ireo dia nandrafitra ny atao hoe « Pacte National sur l’alimentation et l’agriculture » ny Firenena tsirairay izay mamaritra ireo asa ho tanterahina hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ho fanatanterahana io « pacte national » io ho an’i Madagasikara dia nihaona tamin’ireo mpiara-miombona antoka sy ireo mpamatsy vola tsy miankina eo amin’ny sehatry ny fambolena ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 25 janoary 2023 tany Dakar. Nandritra izany fihaonana izany no nanolorany ireo fandaharanasan’ny Fitondram-panjakana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ka nahazoana fanohanana avy amin’ny BAD sy ny FIDA.




