PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO: Hametrahana orinasa mamokatra sakafo any Atsimon’ny Nosy

Tany maina, tsy misy hamokarana, zara raha misy orana. Izany no iainan’ny Malagasy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny efa am-polo taonany maro. Tsy niafina tamin’ny Fitondrana rehetra nifandimby teo aloha izany, saingy tsy nisy nanana finiavana ny hanolotra vahaolana maharitra ny amin’izany. Ankehitriny, tonga ny fotoana hamahana amin’ny fomba maharitra io olan’ny tsy fanjariantsakafo io. Hisy, noho izany, ny fametrahana orinasa mamokatra sakafo any atsimon’ny Nosy.

30%-n’ny zaza latsaky ny dimy taona eto Madagasikara dia tratran’ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka avokoa, araka ny fanadihadiana nataon’ny ofisim-pirenena momba ny fanjariantsakafo, ny taona 2017. Nivoatra hatrany io antontanisa io, ary maro ireo faritra tena voakasika mafy amin’ny tsy fahampiana ara-tsakafo ankehitriny, isan’izany ny tapany atsimon’ny Nosy iny. Amin’izao fotoana izao, ho famahana amin’ny fomba maharitra ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, hisy ny fametrahana orinasa hanodina sakafo be otrikaina ho an’ny zaza sy ny reny ary indrindra ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Nutriset izay miara-dalana amin’ny Fondation Mérieux.

“Tetikasa azo refesina sy misy fiantraikany mivantana amin’ny mponina no hoentina sy hotanterahana any Atsimo…Afaka herinandro vitsy dia ho tonga eto Madagasikara ny milina rehetra fanodinana izay entin’ireto mpandraharaha sy mpiray antoka amin’ny Fitondram-panjakana ireto!”,  io no voalazan’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra.

Vahaolana maharitra no hapetraky ny Fitondram-panjakana

Ny Fondation Mérieux no hamatsy vola

“Isika eto Madagasikara dia isan’ireo voafidin’ny firenena maro hitarika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izay isan’ny  noraisiko ho ady amin’ny manokana sy goavana mandritra ny fitantanana ny raharaham-pirenena”, hoy ny Filoha Rajoelina tao anatin’ny taratasy nalefa ho an’ny mpikamabana rehetra ao amin’ny Governemanta. Araka ny fanazavana, nandritra ny fifampidinihana no nahafahana nampifandray ireo mpiara-miombon’antoka roa, dia ny Fondation Mérieux sy ny Nutriset. Ity farany izay orinasa matanjaka sy sangany amin’ny famokarana sakafo be otrikaina natokana hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo. Io orinasa io, noho izany, hamokatra, hanodina, ary hitsinjara ireo vokatra manerana ireo toeram-pitsaboana sy ny toerana miahy ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy. Etsy ankilany, manampy amin’ny fananganana ny orinasa no andraikitry ny Fanjakana. Eo koa ny fametrahana ireo fepetra sy didy aman-dalàna isan-tokony hanamorana ny fijoroan’ny orinasa, ary ny fanalefahan-ketra sy ny haba izay mila hampandalovina amin’ny Filankevitry ny minisitra. Ny “Fondation Mérieux no hitondra manontolo ny famatsiam-bola, ny orinasa Nutriset no hametraka sy hampiodina ny orinasa. “Ny toky nomen’ny Nutriset ankoatra ny famoahana vokatra ara-pahasalamana sy manaraka ny fenitra ary ny filan’ny mponina, dia hamorona asa ho an’ny faritra hiasany koa, ary hampiasa vokatra avy eto an-toerana”, hoy ny fanazavana.

Velirano ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Tsy manadino ny vahoaka any Atsimo ny Filoham-pirenena.

Velirano nataon’ny Filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoaka Malagasy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Raha tsiahivina, mbola nohamafisiny izany nandritra ny fivorian’ny IFNA na Initiative for Food and Nutrition Security in Africa ny 27 aogositra 2019, tany Yokohama, Japana. Ho an’I Madagasikara, hoy izy, ny politika momba ny fanjarian-tsakafo dia voafaritra anaty paikady mazava tsara. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana rafitra manerana ny nosy manohana ny politika natokana hanatsarana ny fahazarana ara-tsakafo; ny fampitomboana ny vokatra ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fandaharanasa mamatsy vola ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary fananganana orinasa manodina fanampin-tsakafo feno otrikaina toy ny moringa sy spiruline indrindra fa any atsimo; ny fitantanana tsara ireo loharanon-drano amin’ny alalan’ny tetikasa fanondrahana sy fizarana rano ireo tany fambolena ary amin’ny alalan’ny fiarovana ny fananan-tany sy fanamorana ny fahazoan’ireo tantsaha ny akora fampiasany; ny fanomezana asa mendrika ho an’ny rehetra.

Tags
Fermer