Songadim-baovao
Ady amin’ny valanaretina covid-19 : Midina ifotony eny anivon’ny fiarahamonina ny BMM4 sy ny BIS
Taorian’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, ny amin’ny fandraisana sy fikarakarana ireo mararin’ny covid-19, indrindra ireo mampiseho soratr’aretina tsotsotra. Tsy latsa-danja ny fandraisana andraikitra ny BMM4 sy ny BIS amin’ny fidinana eny ifotony. Isan’ireo nidina ifotony koa ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, momb ny fanarahana toromarika amin’ny lalam-pirenena faharoa. Fanadihadiana…

Araka ny hevitra tapaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, dia maromaro ireo toeram-pitsaboana vonjimaika hatsangana handraisana sy hikarakarana ireo mararin’ny Covid-19 mampiseho soratr’aretina tsotsotra. Manoloana izany, nanome toromarika ireo miaramila ao amin’ny Vondrona « Bataillon Mulit-Mission » na ny BMM 4 sy ny « Brigade d’intervention Spéciale Covid-19 » na ny BIS, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard omaly. Efa miasa ary azo antsoina amin’ny fotoana rehetra ny laharam-pinday 914, araka ny nambaran’ny Dokotera Lietnà-Kolonely Ravaoavy Hariniaina, tomponandraikitra ao amin’ny BIS. Ny BIS dia miara-miasa amin’ny CNOS sy ny DGOCSR avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fisahanana ny marary. Tafiditra amin’ny andraikitra sahanin’izy ireo, ny fanaterana ny fanafody ho an’ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ka mihiboka sy manaraka fitsaboan-tena any an-trano. Nizara ireo fanafody ireo manerana ny boriborintany efatra eto Antananarivo, araka izany, ny teo anivon’ny BMM4 sy ny BIS, nanomboka omaly.
Antso vonjy 914…

Momba ny antso filana vonjy amin’ny laharam-pinday 914 kosa, mamerina miantso sy manadihady ny marary ny avy ao amin’ny BIS handraisana ny fanapahan-kevitra. Raha torohevitra no ilain’ny marary, dia omena avy hatrany izany. Raha ilaina ny fizahana marary ataon’ny dokotera mpitsabo, manainga avy hatrany ny tarika ao amin’ny BIS manatona ilay marary any an-tranony ka miankina amin’ny fizahana hatao no hanaterana ny marary amin’ny toeram-pitsaboana mifanaraka amin’ny toe-pahasalamany.
Nanamafy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa ny fifanomezan-tanana sy ny fanarahana ny fepetran’ny « Hamehana ara-pahasalamana » napetraky ny Fanjakana ary ny fanajana ny fihetsika sakana amin’ny olom-pirenena tsirairay no ahafaha-misakana ny fiparitahan’ny valanaretina. Nambarany koa fa eo anilan’ny vahoaka hatrany ny Tafika amin’ity ady amin’ny valanaretina Covid 19 ity.
Nidina ifotony ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena

Ho fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo baiko sy toromarika nomena mahakasika ny hetsika hisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus, dia nidina ifotony teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), ny Jly Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, omaly. Tafiditra tamin’izany, nanomboka teo Ambohimalaza, Ambatolaona, Manjakandriana, Anjiro, Moramanga. Fotoana iray koa nahafahany nanamafy ireo toromarika ho tanterahina sy nizara arovava orona ho an’ireo Zandary sy Tafika miantsehatra. Nomarihiny moa fa raha misy fitarainana amin’ny fomba sy fihetsika tsy mendrika mihoatra amin’ny fanatanterahan’ireo zandary ny asany. Afaka mametraka izany fitarainana izany tsy misy hataka andro miaraka amin’ny porofo (sary sy vidéo) ireo mpampiasa ny lalam-pirenena. Hatreto aloha, araka ny tombana ezaka ifotony dia miasa tsara sy manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo zandary mpiantsehatra na andro na alina.
Nozaraina vatsy sy fitaovam-piarovan-tena

Ho Fiarovana ireo vahoaka amin’ny alalan’ny fampanajana ny fepetra ny « Hamehana ara-pahasalamana » sy fitandroana ny filaminana no tena andraikitra asa ankinina amin’izy ireo miaraka amin’ny Solontenam-panjakana ao Toamasina. Manoloana izany, nanolotra vatsy sy arovava orona ho an’ireo Mpitandro filaminana (Zandary, Tafika, Polisy) ny Governoram-paritra Atsinanana sy ny Préfet Toamasina, afakomaly maraina, nanoloana ny Lapan’ny faritany teo aloha. Fotoana iray koa nahafahan’ireo Mpitarika ny EMMO/Far Toamasina nitondra teny ho an’ny rehetra. Fisaorana ireo mpitandro filaminana mpanatanteraka tamin’ny ezaka vita tamin’ny taona 2020, sy fankaherezana azy ireo hanamafy bebe kokoa izany manoloana ity tranga 2021 ity. Fotsim-bary, gonin-tsakafo feno hery fiarovana sy koba mampatanjaka, lafarinina, arovava-orona isam-batan’olona. Ireo no vatsy natolotra ireto andian-tafika maherifo hamita iraka fiarovana ny vahoaka mandritra ny 15 andro.




