Trangam-piaraha-monina
ADY AMIN’NY ZAVA-MAHADOMELINA : Rongony 2 Taonina mahery sarona, olona 24 nidoboka am-ponja
Nodorana omaly tao Andavakatsantsa fokontany Matiakoho, distrikan’Ambilobe, taorian’ny fahavitan’ny fanadihadiana rehetra ireo rongony milanja 2 450 kg tratran’ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Ambilobe. Tonga nanatrika izany ireo solontenam-panjakana isan-tokony, ireo tomponandraiki-panjakana, ny Zandarimariam-pirenena, ary ireo Olobe ao an-toerana. Marihina fa olona 26 no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana ireto zava-mahadomelina ireto. Naiditra am-ponja avy hatrany ny 24 amin’izy ireo rehefa avy natolotra ny Fampanoavana. Niainga avy amina loharanom-baovao voarain’ny zandary tao an-toerana no nahazoana izao vokatra heverina fa tena goavana dia goavana izao. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny lalam-pirenena, indrindra fa ireo olona sy fiara mifamezivezy, izay tetika hamoahana ireo zava-mahadomelina. Nahitam-bokany izany tamin’ny alalan’ny fahatrarana ireto tambajotra goavana mpanao trafikana rongony tany an-toerana ireto. Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo Zandary momba ny ady amin’ny zava-mahadomelina, izay fototry ny tsy fandriampahalemana.
Dimy lahy nahatrarana rongony 550 kg
Tsy mitsahatra ny ady amin’ny zava-mahadomelina, any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny. Miezaka mitady vokatra araka izay tratra ny mpitandro filaminana mba hisian’ny fandriampahalemana maharitra eny anivon’ny fiarahamonina. Nisy ny hetsika notontosain’ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritr’Ambilobe, mba hahazoana manenjika ireo olon-dratsy mpanaparitaka zava-mahadomelina. Nanomboka ny 15 oktobra hatramin’ny 3 novambra 2024 lasa teo ny hetsika nataon’ny zandary niaraka tamin’ny Polisim-bohitra tany amin’ny faritra manasaraka ny kaompanian’i Vohémar sy ny kaompanian’Ambilobe, samy ao anatin’ny distrikan’Ambilobe. Tsy niala maina, fa nahitam-bokany izany satria tra-tehaka tao anaty vela-pandriky ny zandary ny dimy lahy mpivarotra sady mpanao trafikana zava-mahadomelina. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny rongony milanja 550 kg. Nogiazan’ny zandary avy hatrany ireto zava-mahadomelina ireto, raha nentina nanaovana famotorana, ireo voarohirohy. Nilaza izy ireo fa efa mpanao trafikana rongony amin’iny tapany avaratra iny. Efa misy ireo olona mpiray tsikombakomba amin’izy ireo, raha ny fanadihadiana. Taorian’ny famotorana nataon’ny zandary, niakatra fampanoavana ary nidoboka am-ponja avokoa izy ireo.
Heloka bevava…
Tiana ny manamarika fa heloka bevava mety mahavoasazy asa an-terivozona 5 hatramin’ny 20 taona miampy lamandy na/ny iray amin’ireo ihany ny : fambolena, famokarana, fanamboarana, fanodinana, fanondranana, fitaterana eto an-toerana na mankany ivelany, fanomezana, fivarotana, fitsinjarana, fanaparitahana, fanaterana, fandefasana, fividianana, fihazonana zava-mahadomelina. Heloka mavesatra mety mahavoasazy 5 ka hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy na ny iray amin’ireo ihany ny fanamorana ny fidorohan’ny sasany zava-mahadomelina mahery vaika na amin’ny alalan’ny fampidirana azy ireo ao an-trano na fanomezana fomba hafa hahafahany midoroka, na fanomezana zava-mahadomelina ao anaty taratasim-panafody fantatra fa tsy ilaina akory.
Rado Harivelo




