PolitikaSongadim-baovao

ADY TANY MARO AO ANALAVORY: Manampy ny fokonolona hamerina ny taniny ny Antoko Freedom

Nisaotra ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny Antoko Freedom, tamin’ny alalan’ny Filoha Nasionaliny, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, tamin’ny fahavononana nasehony hiady amin’ny tambajotra mpangalatra tany eto Madagasikara. Fanampiana ny vahoaka ianjadian’ny tsindry hazolena izany, hoy izy. Mifanojo ihany koa amin’ny ady amin’ny tsy rariny izay imatimatesan’ny Antoko Freedom.

Mahazo matoky ny Ben’ny tanàna rehetra ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo avy amin’ny Antoko Freedom fa tsy ho kamboty mihitsy”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny Antoko, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny kabariny tao Analavory, satria manohana azy ireo ny Antoko iray manontolo. Anisan’ny Kaominina manana olana betsaka amina ady tany ny Kaominina Analavory ary efa manampy ny fokonolona hamerina ny taniny ny Antoko amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny dingana samihafa atao eo anoloan’ny fitsarana mahefa, araka ny fanazavana.

« Matoky isika fa manohana antsika amin’ny ady atao mba hiverenan’ny tanin’ny Fokonolona bodoin’olon-tokana, ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry Rajoelina. Satria vao tamin’ny herinandro lasa izy no nanome toromarika mazava ny hiarovana ny vahoaka amin’izany ady tany izany ka hamongorana ny kolikoly amin’io resaka fangalarana tany atao amin’ny vahoaka madinika io » hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy nandritra ny kabariny, ary nisaotra rahateo izy ny Filoham-pirenena noho izany fahavononana asehony izany, amin’ny fanampiana ny vahoaka ianjadian’ny tsindry hazo lena amin’io resaka ady tany io. Marihina fa kaominina tena mamokatra ny ao Analavory, fa saingy maro be ny tantsaha no mijaly vokatry ny fibodoana tany izay ataona olom-bitsy. Izany ady amin’ny tsy rariny izany indrindra no anisan’ny nimatimatesan’ny Antoko Freedom hatrizay ka hatramin’izao.

“Tsenabe Fanilo”

Omaly, tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny “Tsenabe Fanilo” nokarakarain’ny Kaominina Analavory ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom. “Ben’ny tanàna avy amin’ny Antoko Freedom ny Ben’ny tanana any an-toerana, maro dia maro ny zava-bitany ho fampandrosoana ny Kaominina izay iandraiketany ka mendrika hotohanana ny ezaka izay ataony”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Antoko. Izay indrindra, hoy ny fIloha Nasionalin’ny Antoko, no nahatonga azy nanome tanana sy nanotrona izany Tsenabe ho fampirantiana ny vokatra avy ao amin’ny Kaominina izany.

Nandritra ny lanonana fanokafana ny Tsenabe no namalian-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ihany koa ny fangatahan’ny Ben’ny tanàna hanavaozana ny toeram-pitsaboana CSB ao Analavory izay efa antitra, satria efa am-polo taona tsy nisy fanamboarana. Efa nanaovan’ny Solombavambahoakan’i Miarinarivo Fetra Rakotondrasoa hetsika Tagnamaro niaraka tamin’ny vahoakan’ny Kaominina izany CSB izany tamin’ny herinandro lasa fa saingy tsy mbola vita hatramin’ny farany ny asa.

Nanolotra loko hamitana tanteraka ny fanavaozana, araka izany, ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom ary nanolotra koa kidoro hapetraka amin’ny farafaran’ny CSB mandray marary, satria efa tsy zarizary ny kidoro teo aloha.

Fermer