Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

AFROBASKET – U18 : Maneho ny fahavononany ny Ankoay zazavavy

Nanohy ny fanazaran-tena avy hatrany ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazavavy omaly tao amin’ny kianjan’ny Vatofotsy Antsirabe, rehefa tonga tao an-toerana ny alahady lasa teo. Hita taratra, araka izany, ny fahavononana asehon’ireo maherifo hiaro ny voninahim-pirenena mandritra ny Afrobasket U18, hatao eto Madagasikara ny 4 ka hatramin’ny 14 aogositra izao. Ny Tale Teknika Nasionalin’ny Fmbb Razafiarivony Solofohery Angelot no mitarika ny delegasiona any an-toerana, arahin’ny mpandrindra ankapobeny ny ekipam-pirenena Randriamandimby Jimmy. Misy ny mpitsabo manara-maso ny fahasalamana sy ny toe-batan’ny ekipam-pirenena, ahitana ny Dokotera Rakotomalala Richard sy ny Dokotera mpanampy, Andrianantenaina Mirayndah. Mpanazatra telo mianadahy kosa no mitarika ny fanazaran-tena sy ny fanomanana ara-batana ho an’ny Ankoay zazavavy, ahitana an’i coach Bayard Razafindralambo, coach Andry Rakotomanantsoa, ary coach Helina Randrianjatovo. Ary farany dia ny mpitsara basketball iraisam-pirenena Rakotonioly Marie Lucia, izay hampianatra sy hanazatra ireo mpilalao mikasika ny fitsipi-dalao mifehy ny taranja basketball na ny « règlements », ampian’i Ramahandrimanana Hasina, izay sady mpitsara basketball no tompon’andraikitra eo anivon’ny Fmbb.

Tonga nanome tso-drano sy toromarika ho an’ireo mpilalao mandrafitra ny Ankoay zazavavy ireo mpikambana eo anivon’ny Federasiona Malagasy taranja Basketball (Fmbb) sy ny komity mpikarakara ny Afrobasket (Cocan) talohan’ny fihaingan’ny delegasiona sy ny mpilalao rehetra.

Etsy ankilany, 9 andro mialohan’ny andro lehibe amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, Afrobasket U18 hotontosaina eto Madagasikara, mandroso hatrany ireo fanatsarana ny fotodrafitrasa handraisana ireo lalao ao Antsirabe. Isan’izany ny fahavitan’ny fametahana ny « tableau électronique », ny fahavitan’ny fametahana ireo jiro rehetra sy ny famaranana tanteraka ny fanamboarana ny fiantsonan’ny fiara ao ivelan’ny kianja, araka ny angom-baovao voaray. Tsara ho fantatra fa, ao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe no handraisana ny lalao Afrobasket U18 eo amin’ny sokajy vehivavy, raha ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no handraisana ny lalao eo amin’ny sokajy lehilahy.

Heriniaina S. (mpianatra asa)

Fermer