Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
AFROBASKET U18: Nahavita dingana tsara ny Ankoay zazalahy tamin’ireo lalao telo natrehina
Resin'ny ekipam-pirenen'i Sénégal tamin'ny isa 70 no ho 62 ny Ankoay zazalahy, omaly tamin'ny lalao farany amin'ny fifanintsanana Afrobasket U18. Laharana faharoa araka izany no misy an'i Madagasikara ao amin'ny vondrona A.
Tontosa omaly ny lalao farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny lalao hiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety ho an’ny latsaky ny 18 taona « Afrobasket U18 2022 ». Tsara ny vokatra ho an’ny Ankoay zazalahy tamin’ny lalao fifanintsanana, na teo aza ny faharesena nanoloana ny ekipam-pirenen’i Sénégal omaly, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Resin’i Sénégal tamin’ny isa 70 no ho 62 ny Ankoay zazalahy teo amin’ny andro fahatelo, ary nametraka ny Malagasy sokajy zazalahy ho eo amin’ny laharana fahatelo, ao amin’ny vondrona A. Niady ny lalao, ary tsy nampoizin’ny rehetra ny vokatra raha ny tantaran’ny basikety sy ny Sénégalais manokana no jerena. Nitarika ny Ankoay zazalahy teo amin’ny ampahefa-potoana roa voalohany, 20 no ho 15 ary 36 no ho 31. Nanoloana io isa teny amin’ny solaitrabe io, nifoha tamin’ny torimasony ny Sénégalais ary nanova paik’ady handresena ny Malagasy. Tery hatrany ny isa ho an’ny roa tonta, isan’izany ny teo amin’ny 5 minitra nilalaovana tamin’ny ampahefa-potoana fahatelo, nitarika 43 no ho 41 indray i Sénégal. « Somary nanano sarotra ny fihaonana, maherihery fihetsika ny Malagasy teo amin’ny fiarovan-tena », hoy i Max Ndiaye, mpilalaon’i Sénégal. Nanamafy izany ihany koa ny mpanazatran’ireto farany Sin Denisio « isany tombony ho an’ny Malagasy ny fampiasan-kery, fa ny fahadisoana betsaka nataon’ny Malagasy no lasa tombony ho anay ».
Tetsy ankilany, tsy nahitana fiovana firy teny ambony kianja ho an’ny Ankoay zazalahy, isan’izany i Mathias M’Madi meneur ny Ankoay, izay tsy niala nandritra ny lalao iray manontolo na dia hita aza ny harerahana. « Faly aho ary mirehareha amin’ny ekipako, na dia resy aza. Tsy sahy nanala an’i Mathias aho, izy mirefy 1m93 ny solony anefa 1m76. Raha nisy ny fanovana mety tsy ho iny no isa nisarahana », hoy ny mpanazatra ny Ankoay Mémé, nandritra ny valandresaka nifanaovana taminy. Hihaona amin’ny ekipam-pirenen’i Guinée araka izany ny Ankoay zazalahy, amin’ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fifaninanana Afrobasket U18. Marihina fa, resin’i Mali tamin’ny isa 87 no ho 40 ny ekipam-pirenena Malagasy, eo amin’ny sokajy zazavavy hatao any Antsirabe.




