Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

AFROBASKET U18 : Tafakatra amin’ny manasa-dalana ny Ankoay zazalahy sy zazavavy

Tafavoaka nanoloana an'i Ginea tamin'ny isa 59 no ho 47 ny Ankoay zazalahy omaly, tamin'ny lalao ampahefa-dalana. Ny ekipam-pirenen'i Mali araka izany no miandry ny ekipam-pirenena rahampitso amin'ny lalao manasa-dalana. Tetsy ankilany, hiatrika ny lalao manasa-dalana ihany koa ny Ankoay zazavavy, rehefa tafavoaka tamin'ny isa 61 no ho 58 nanoloana an'i Tanzania.

Nahavita ezaka tsara ny ekipam-pirenena Malagasy, Ankoay zazalahy sy zazavavy omaly, nandritra ny lalao ampahefa-dalana, taranja basikety amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Nandresy ny ekipam-pirenen’i Ginea tamin’ny isa 59 no ho 47 ny Ankoay zazalahy tarihin’ny mpanazatra Mémé, omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Tifi-davitra tamin’ny alalan’i Jerry, izay nahazoan’i Madagasikara isa 3 no nanokatra ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nanome ny tsara indrindra avy aminy avokoa ireo mpilalao rehetra teny ambony kianja, isan’izany i Mathias M’Madi, meneur ny ekipam-pirenena sady nahatafiditra ny isa 28 ho an’ny Malagasy. Nofehezin’ny Ankoay zazalahy ny lalao omaly, nitarika hatrany ny Malagasy nandritra ny ampahefa-potoana efatra, 18 no ho 10 teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany, 31 no ho 21 teo amin’ny ampahefa-potoana faharoa, 48 no ho 33 teo amin’ny ampahefa-potoana fahatelo, raha toa ka 59 no ho 47 ny isa nisarahan’ny roa tonta. Nitohy hatrany ny tsindry ataon’ny Ankoay teo amin’ny fiarovan-tena, ary voalanjalanja ny fahadisoana nataon’ny mpilalao tsirairay. « Tsy dia nanano sarotra ny fihaonana tamin’ny Gineana, mpilalao iray ihany no tena nilalao, mora ho anay no nametraka ny fiarovan-tena », hoy i Lova, kapitenin’ny Ankoay nandritra ny valandresaka nifanaovana taminy.

Etsy ankilany, tsy mora ny miandry ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny lalao manasa-dalana hatao rahampitso. Ny ekipam-pirenena Maliana izay tompondaka farany, ary nanamontsana ny Bénin tamin’ny isa 106 no ho 46, teo amin’ny ampahefa-dalana omaly. Nanamafy ny mpanazatra Mémé fa, « tsy misy ekipa mora resena izany, nametraka tantara ireto mpilalaon’ny Ankoay zazalahy ireto. Sambany ny Malagasy no hiatrika ny manasa-dalana hatramin’izay nampiantranoina ny Afrobasket, tany amin’ny lalao ampahefa-dalana hatrany no raraka isika tany aloha ». « Vonona hatrany izahay, ary mila ny fanohanana avy amin’ny olom-pirenena Malagasy hiatrehina ny lalao » hoy hatrany ny fanambarany. Hoy i Lova tetsy ankilany fa, « nofinofy ny hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, tsy maintsy hiezaka izahay hiakarana any amin’ny lalao famaranana ».

Nampitaintaina ny rehetra ny lalaon’ny Ankoay zazavavy

Nandresy ny ekipam-pirenen’i Tanzania ny Ankoay zazavavy omaly tamin’ny lalao ampahefa-dalana, notontosaina tao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe. Isa tery dia tery no nisarahan’ny roa tonta, 61 no ho 58 izay isan’ny nampitaintaina ny rehetra. Nifandimbiasana hatrany ny fanafihana sy ny fampidiram-baolina ary samy nanao izay ho afany na ny Malagasy na ny Tanzaniana. Porofon’izany, tany amin’ny segondra farany tamin’ny alalan’ny tifi-davitra isa 3 no nahatafavoaka ny Ankoay zazavavy, raha toa ka ady sahala 58 no ho 58 ny isa teny amin’ny solaitrabe nandritra ny sivy minitra nilalaovana. Ny ekipam-pirenen’i Égypte no hihaona amin’ny Ankoay zazavavy anio, amin’ny lalao manasa-dalana, tanterahina ao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe. Dingana farany sisa araka izany ny an’ny Ankoay dia tonga any amin’ny tanjona iriana, hiatrika ny lalao famaranana amin’ny Afrobasket U18 sokajy lahy sy vavy.

Heriniaina S. (Mpianatra asa)

Fermer