
KolontsainaSongadim-baovao
« AFROMADA MUSIC AWARDS 2025 » : Amboara maherin’ny 30 nozaraina nandritra ny andiany voalohany
Notanterahina ny sabotsy teo teny amin’ny Arena Ivandry ny lanonana fankasitrahana ireo artista afrikana sy malagasy nisongadina tao anatin’ny andiany voalohan’ny « Afromada Music Awards ».
Nambaran’ny Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay Reny mpiahy ny hetsika, fa tamin’ny 2023 ny mpikarakara izay ekipa afrikana notarihin’i Dr Falafala, commissaire général ny hetsika sady tale jeneralin’ny trano famokarana ONEALVISION no nanomboka nikarakara an’ity hetsika ity. “Mbola nisahana ny minisiteran’ny Kolontsaina aho tamin’izany no efa nanatona ahy izy ireo. Rehefa tena hotontosaina ny hetsika dia mbola nangataka ahy ho Reny mpiahy ity andiany voalohany ity izy ireo noho ny fifanomezan-tanana natao azy ireo tamin’ny fikarakarana ka am-panetretena sy am-pitiavana no nanekeko izany”, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.
Tsara ho fantatra fa maherin’ny 30 ny « trophées » nozaraina ny sabotsy teo. Anisany nisongadina manokana ny mpanakanto malagasy Ceasar izay nahazo ny « trophée de l’artiste révélation africaine 2025 ». « Afaka mirehareha isika satria tsy isika malagasy irery no mifaninana fa ireo artista afrikana maro be koa. Efa sehatra ambony kokoa araka izany” , hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.
Ceasar kosa nandritra ny fandraisam-pitenenana fohy natao dia nampita hafatra manao hoe « ny afrikana aza manome lanja ny mozikantsika, ka aoka tsy isika Malagasy indray no hifanaratsy sy hifanambanimbany fa tokony mba fotoana hanehoantsika fifankatiavana izao »
Randriah.



