Songadim-baovaoSosialy
AHIAHINA PESTA : Telo namoy ny ainy, olona enina hafa mbola tsaboina
Tranga nanaitra, fa mpianatra tao amin’ny EPP Amberobe, Andranomanelatra, distrikan’Antsirabe II, nolazaina fa folaka, kanefa namoy ny ainy, ilay zaza ny zoma 24 janoary lasa teo. Ny afakomaly lasa teo anefa, nisy olona fito tsy maintsy naiditra tao amin’ny CSB Amberobe satria niaraka narary izy ireo ary samy mitovitovy ny aretina. Rehefa voaray tao amin’ny CSB ny marary, dia tsy tana intsony ny ain’ilay raim-pianakaviana sady rain’ilay zaza maty tamin’ny zoma lasa teo. Rehefa nampiahiahy ireo trangana aretina, nanao tatitra ny lehiben’ny dokoteram-panjaka eo anivon’ny CSB tany amin’ny lehibeny avy hatrany.
Nisy, araka izany, ny fidinana an-toerana ireo mpitsabo sy ireo solontenan’ny DRSP nijery ny zava-misy. Fantatra fa namoy ny ainy koa ilay renin’ilay zaza maty, omaly. Nisy ny fandraisana andraikitra notanterahina, ka efa nahazo fanafody ireo marary enina avy ao amin’ny CSB. Nizarana fanafody koa ireo olona manodidina, indrindra ireo nifanerasera tamin’ny marary. Nakatona vonjimaika ny EPP Amberobe ary nanatanteraka famendrahana fanafody miaraka amin’ny BMH, omaly alarobia. Mbola andrasana koa ny valin’ny fitiliana avy any amin’ny « Institut Pasteur ». Nisy ny fanentanana natao, ny amin’ny tokony hampiasana arovava ary hanamafy koa ny fanasana tanana matetika, indrindra any amin’ny birao. Ny eo anivon’ny Zana-tobim-paritra any an-toeraka koa dia nasaina manao arovava, indrindra ireo olona manan-draharaha ao amin’ny birao.
Pierre M.




