PolitikaSongadim-baovao

AHIAHY KOLIKOLY SY FANODINKODINAM-BOLA : Voantso eny amin’ny Bianco i Rivo Rakotovao

Nahazo taratasy fampiantsoana avy amin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly na ny Bianco ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, sady mpandrindra nasionalin’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), andriamatoa Rivo Rakotovao. Araka ny voarakitra ao anatin’ny taratasy dia ahiahy kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana, ary fanaparam-pahefana, nataon’ny mpitantana sasantsasany tao amin’ny Antenimierandoholona, ny taona 2019, no anton’ny fampiantsoana, amin’ity anio ity.

Voantso eny amin’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, sady mpandrindra nasionalin’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), anio alatsinainy 13 Jona 2022. Raha ny fantatra dia raharaha mahakasika ahiahy kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana, ary fanaparam-pahefana izay nataon’ny mpitantana sasany tao amin’ny Antenimierandoholona tamin’ny taona 2019 no anton’ny fampiantsoana. Hatreto, tsy mbola nahazoana antsipiriany ny mahakasika ireo vesatra hampanantsoina azy ireo. Raha tsiahivina, niandraikitra ny toerana maha filohan’ny Antenimierandoholona azy i Rivo Rakotovao nanomboka ny 12 Novambra 2017, hatramin’ny 21 Janoary 2021. Efa nitana ny andraikitra maha Filoham-panjakana mpisolotoerana ihany koa, ny 7 septambra 2018 hatramin’ny 18 janoary 2019, rehefa voatery nametra-pialana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina noho ny firotsahany nofidiana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena.

“Hamaly ny fampiantsoana…”

Namoaka fanambarana, ny faran’ny herinandro, ny antoko HVM manoloana ity fampiantsoana nataon’ny Bianco ity. “Araka ny soatoavina ijoroan’ny ataoko amin’ny Fanajana ny tany tan-dalàna sy amin’ny maha olom-pirenena azy dia hamaly ny fampiantsoan’ny Bianco izahay”, hoy ny fanambarana. Ny antoko HVM izay nametra-panontaniana vitsivitsy mahakasika ity fampiantsoana an’andriamatoa Rivo Rakotovao ity. “Fa maninona no amin’izao volana jiona izao ny fampiantsoana no atao raha toa ka efa tamin’ny volana martsa ny daty voalazan’ny taratasy fampiantsoana? Aiza ho aiza ireo raharaha maro izay milona ao amin’ny Bianco fa toa lasa isafidiana olona ny raharaham- pitsarana ?”, hoy ny fampitam-baovao. Raha tsorina dia miahiahy ambadika politika indray ity antoko avy amin’ny fanoherana ity. “Manantena hatrany ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana ny antoko mba tsy hatao fitaovana politika ny Bianco”, hoy ny fanambarana. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha…

Fermer