Songadim-baovaoSosialy

AHIANA HIVADIKA RIVODOZA : Manambana ny Faritra Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana ilay tangoron-drahona

Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avaratra atsinanana ilay tangoron-drahona ahiana hivadika rivodoza ao amin’ny Ranomasimbe Indianina anio sy rahampitso. Araka ny fampitam-baovao farany voaray teo anivon’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro, omaly, tamin’ny 03ora tolak’andro, dia tany amin’ny 1 228Km no avaratra atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny.

Omaly tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro no tany amin’ny 1 228 Km avaratra atsinanan’Antalaha ny foiben’ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan’ny fari-dranomasina Indiana. Raha ny filazana nalefan’ny teo anivon’ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro afakomaly, dia andalam-piforonana ho rivodoza io tangoron-drahona io ankehitriny. Nikisaka haingana niakandrefana somary atsimo andrefana izy tao anatin’ny 24 Ora ka nahafaka 32 Km/ora. Raha ny fanazavana, varatraza no handrafitra ny toetry ny andro hatramin’ny anio Alarobia ka mety hisy fiforonana andro ratsy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana aorian’izay. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avaratra atsinanana izy ity ato anatin’ny roa andro. Ahiana mafy, araka izany, ny rotsakorana betsaka izay mety hitarika tondra-drano ho an’ireo faritra marefo sy mora tondraka any amorotsiraka atsinanana. Hikorontana koa ny toetry ny andro any avaratra, avaratra atsinanana ary afovoany atsinanana manomboka anio Alarobia 18 Janoary 2023. Manolona izany, nisy filazana fanairana miloko maitso ho an’ireo Faritra efatra mety ho voakasika dia ny Faritra Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana.

Voarara ny fivoahana an-dranomasina

Anaty fikorontanana  ny fifamoivoizana eny an-dranomasina nanomboka ny alina teo noho ny  ora-mikija sy ny rivotra mahery mifandraika amin’io  « perturbation tropicale » izay vinavinaina hanatona ny morontsiraka avaratra atsinanana ato anatin’ny andro vitsivitsy io. Nambaran’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro fa anio alarobia sy rahampitso alakamisy no andrasana ho tena hiova ho ratsy ny toetry ny andro. Ny faritra tena voakasik’izany dia ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny nosy. “Tsy azo atao mihitsy ny mivoaka an-dranomasina manoloana izany tranga izany. Araho antsakany sy andavany ny toromarika izay omen’ny manam-pahefana eny ifotony mba hisorohana ny loza mety hiseho”, hoy ny fampitam-baovao.

 

Johannah (Mpianatra asa) sy LR.

Fermer