SamihafaSosialy

AKADEMIA MIARAMILA : Namoaka andia manokana mpanamory fiaramanidina

Notanterahina ny zoma alina lasa teo, ny lanonana ara-miaramila “Fandresena 2020”. Nampiavaka ny fotoana ny famoahana ireo andia manokana ireo mpanamory fiaramanidina sy angidimby, izay vao sambany no nisy teo amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe…

Akademia miaramila, fandresena, foloalindahy
Nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Repoblika.

Notontosaina tao amin’ny Akademia Miaramila ny lanonana ara-miaramila « Fandresena 2020 » namoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo andia nahavita fiofanana tao amin’ny sekoly. Niavaka ny lanonana izay natrehan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, sady Filoha faratampon’ny Foloalindahy malagasy. Toka-miavaka ity lanonana ity satria nisy ny famoahana ireo andia manokana ahitana ireo mpanamory fiaramanidina sy angidimby miisa 19, izay vao sambany teo amin’ny tantaran’ny Akademia Miaramila no nisian’izany. Niarahaba ireo manamboninahitra nahavita ny fiofanana ny Filoha Andry Rajoelina. Nitso-drano azy ireo hahavita ny adidy ny tenany, hijoro hiaro ny tanindrazana, hiaro ny mpiray tanindrazana ary hiaro ny soatoavina sy ny fiandrianam-pirenena, mba ho tandroka aron’ny vozona ho an’ny tanindrazana. Teo ambany fiahian’ny Filoha ny lanonana, raha notarihin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard.

Fermer