Songadim-baovaoSosialy
AKAMASOA: Nahazo 100 000 Euros avy amin’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron mivady omaly tolakandro ny fitsidihana teny amin’ny Akamasoa, tanàna nahorin’ny Mopera Pedro, nialoha ny nitodihan’izy ireo hihazo an’i Frantsa indray. Nampihetsi-po ireo vahiny ireo ny fandraisana sy ny seho natolotr’ireo ankizy sy tanora beazina eny an-toerana. Nampitondra lesona betsaka ny firaisan-kina nasehon’ireo ankizy, hoy ny Filoha Emmanuel Macron.
Ankilany, nidera manokana ny ezaka vitan’ny Mopera Pedro Opéka ihany koa io Filohampirenena io. Navoitrany nandritra ny lahateny nataony fa nanomboka ny taona 1989 no nahorina ny Akamasoa, ary mbola mitohy mandrak’ankehitriny izany fanitarana sy fanatsarana ny tanàna izany. Niaraka tamin’ny fanampiana sy fanohanan’ny Mopera, ankizy maherin’ny 20 000 no afaka nisitraka fanabeazana indray. Olona maherin’ny 5 000 no nahazo trano fonenana ary an’arivony ireo nisitraka ny fiforonan’asa. Midika izany fa ahafana nanova fiainan’olona maro ny asa soa hampiroboroboina eny amin’ny Akamasoa. Olona manana hatsaram-po sy manana fandavan-tena ny Mopera Pedro, hoy ny Filoha Emmanuel Macron. Ny fitambaran’ireo no hahafahana manova izao tontolo izao, toy io tanterahana eny amin’ny Akamasoa io.
Mba hahafahana manohy hatrany ireo asa soa tanterahana eny amin’ny Akamasoa, noho izany, dia nanambara Atoa Emmanuel Macron tamin’io omaly io fa hanolotra 100 000 Euros ny tenany. Tsy niandry ela, taorian’izany dia nanambara i Mopera fa ampiasaina hananganana efitrano fianarana miisa 5 io vola io. Ny fanabeazana izay mipetraka ho filàna fototra hatrany eny amin’ny Akamasoa. Nankasitra ny fanomezana io fanampiana io ny mpitarika eny amin’ny Akamasoa.
Sarobidy Sidonie.




