Songadim-baovaoSosialy

AKANY FITAHIANTSOA ANKORONDRANO : Mpianatra 15 hanala fanadinana CEPE anio

Miisa 15 ireo zaza taizana ao amin’ny Akany Fitahiantsoa Ankorondrano, hanala ny fanadinana CEPE anio, araka ny fantatra omaly. Ny Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy moa no Reny mpiahy an’ity akany ity. Amin’ny maha-Reny mpiahy azy an’ity Akany fitaizana sy fampianarana zaza sahirana sy kamboty ity, araka izany, dia nanao fotoana tamin’izy ireo ny tenany tamin’ny fanolorana fitaovana sy satroka sy fehin-tenda mafana hiatrehana ny fanadinana sy fitsofandrano sy fankaherezana azy ireo. Voatazona tetsy amin’ny Antenimierandoholona anefa ny tenany noho ny fisian’ny fifanatrehana teo amin’ny Governemanta sy ireo Loholon’i Madagasikara, ka dia nisolo tena azy nanolotra ny fanomezana ny Sekretera jeneraly sy mpandrindra nasionalin’ny Antoko Freedom.

« Mirary soa ny mpanala fanadinana rehetra mba omen’ny Fanahy Masina fahiratan-tsaina sy fahalalana hahita fahombiazana amin’izay fanadinana hatao izay », io no teny firariantsoa nataon’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy, ho an’ny mpanala CEPE rehetra.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer