Songadim-baovao
AKANY ZANDARIMARIA ARIVONIMAMO : Nankasitrahana ireo ankizy kamboty afa-panadinam-panjakana
Notanterahina ny afakomaly maraina teny amin’ny Akany Zandarimaria Arivonimamo, ny fankalazana ny Noely 2020, ho an’ireo zaza kamboty tezaina ao. Tsy nohadinoina koa ny nankasitraka ireo ankizy afa-panadinam-panjakana, nandritra ny fotoana…

Faly tokoa ireo ankizy beazina ao amin’ny Akany Zandarimaria ao Arivonimamo, fa mahatsiaro manana Ray aman-dreny hatrany fa tsy kamboty akory. Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny krismasy, dia niara-nankalaza izany niaraka tamin’izy ireo, ny Fianakaviamben’ny Zandarimariam-pirenena, afakomaly. Ankoatra ny fanompoam-pivavahana niarahana tamin’izy ireo, dia nankasitrahana ireo ankizy afa-panadinam-panjakana. Raha ny tatitra mahakasika ny voka-panadinana ara-panjakana, ny taona 2020, teo anivon’ny Akany Zandarimaria, dia 100% ireo ankizy afaka CEPE, BEPC kosa, 75%, raha 55% ireo afaka bakalorea, izay notolorana mari-pankasitrana avokoa. Marihina fa 68 ankehitriny no isan’ireo ankizy tezaina eny amin’ny Akany, amin’izao fotoana izao, ka 17 vehivavy ary 51 lehilahy. 89 no isan’ireo zaza efa nandalo tao ka ny valo amin’izy ireo dia efa lasa zandary, valo mbola any amin’ny Sekoly Ambositra (75 Cfeg) ary ny roa, voaray mpiasa sivily eo anivon’ny Zandarimaria.
Nanambara ny Jly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, fa manao latsakemboka isam-bolana ny zandary rehetra amperinasa, mba hampihodinana ity Akany ity. « Tsy fiompina zaza ny Akany fa fitaizana sy fanabeazana, mba hananan’izy ireo fahaleovantena any aoriana ka hahatonga ho olom-banona azy ireo. Takina amin’ireo ankizy ny ezaka amin’ny fianarana sy ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana. Tia azy ireo ny Zandarimariam-pirenena ary fianakaviana izy ireo », hoy hatrany izy nanazava. Nanolotra lelavola 2.000.000 ariary, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, nandritra ny anjara fitenenany, mba hampitaovana vata fanamafisam-peo ho an’ny Akany. Rtoa Sahondra Ravalomanana, izay Filoham-boninahitry ny Fikambanana vady zandary (Fivaza) kosa, dia nilaza fa manana adidy amin’ireo ankizy tezaina satria ireo zaza ireo dia toy ny zanaka ao an-trano ihany. « Efa tsara ny vokatra tao amin’ny Akany sy azo tsapain-tanana nefa mitaky ezaka hatrany amin’ireo ankizy mba hahomby amin’ny fianarana », hoy izy. Nankasitrahany manokana ny fahafoizan-tenan’ireo mpanabe ao amin’ny Akany sy ny fanampian’ireo malala-tanana sy mpiray ombona antoka rehetra.

Angady nanana ny Seg, Jly Ravalomanana Richard
Notsiahivin’ny Kly Razafindrakoto Davidson Thierry, Tale nisolo tena ny Filohan’ny filankevi-pitantanana ny Akany fa « ny taona 2013, fony ny Jly Ravalomanana Richard mbola Kaomandin’ny Fari-piadidiana ny zandarimaria Antananarivo no nanorina ny Akany ». Natokana hanabezana ireo zaza zanaky ny zandary lavo am-perinasa. Noho ny fahatsapana fa maro ireo zaza toa izany, mila fanampiana sy fitsinjovana ireo vady navelan’ny zandary lavo. Koa naorina tao Arivonimamo ny Akany ny 23 oktobra 2013 ary notokanana ara-pomba ofisialy ny 7 novambra 2013. Mbola ny Jly Ravalomanana Richard koa no nanainga ny fisian’ny Didim-panjakana hitsinjovana ireo zandary maratra am-perinasa sy ireo andefimandrin’ny zandary lavo am-perinasa, ny taona 2013 ary nohatsaraina izany, ny taona 2019 rehefa lasa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria izy. Nasiana koa ny Didim-panjakana ho fanomezana mari-pankasitrahana manokana (prime de bravoure) ny 29 jona 2020 ho an’ireo zandary nanao ezaka ka nahazoana vokatra tsara.




