Songadim-baovaoSosialy
AKON’NY FANDALOVAN’I JUDE TAO ATSIMO: Olona iray maty, 15 048 traboina
Nahazoana akony ny fandalovan’ilay rivodoza « CT Jude », ny faran’ny herinandro lasa teo, tao Atsimon’ny Nosy, antontanisa avy amin’ny BNGRC. Fantatra tamin’izany, fa Faritra 04, distrika 11, ary kaominina 49, hatreto, no voakasik’ity rivodoza ity sy nahazoana antontanisa, ny harivan’ny sabotsy 15 martsa lasa teo. Olona iray no nodimandry tao amin’ny Fokntany Ankilimafaitry Bas, Kaominina Ambovombe Androy. Tsy nisy ny tsy hita popoka, ary olona iray no naratra tao amin’ny Fokontany Ambaniavoha, kaominina distrikan’Ambovombe Androy. Mahatratra 15 048 ireo traboina voaray antontanisa, hatreto, izay mandrafitra tokantrano 4 573 hatreto, ka ny ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana no maro an’isa amin’izany, izay mahatratra 13 990. Manaraka azy ny ao Androy, miisa 646, ary Anosy 262, ary 150 ao Atsimo Atsinanana. Mahatratra 10 587, na tokantrano 2 953 ireo traboina nafindra toerana azo antoka, izay 262 ao Anosy, 646 ao Androy, 9 529 ao Atsimo Andrefana, ary 150 ao Atsimo Atsinanana. Teo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, dia 1 172 ireo trano dibo-drano, 1 640 niharam-pahavoazana, ary 1 160 rava tanteraka. Lafiny fanabeazana, dia efitrano fianarana 36 voakorontana tanteraka, 79 simba tamin’ny ampahany, ary 80 rava tanteraka. Misy koa faritra hafa andrasana fanampim-baovao mikasika io antontanisa io, izay eo am-panamarinana ny zava-misy ny tompon’andraikitra, dia ny ao Ampanihy Andrefana sy Androy.
Ny 70%-n’ny tafontrano ao Ampanihy vokatry ny tanjaky ny rivotra maherin’i Jude dia lasan’ny rivotra avokoa. Ity farany moa, izay nitondra tafio-drivotra hatramin’ny 125km/h, hoy ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny BNGRC. Anisany nitondra takaitra tamin’izany ny sekoly sy tranom-panjakana samihafa. Ankoatr’izany, dia fantatra, fa efa voafindra mialoha ireo mponina tandindonin-doza tamin’io rivodoza io, tao Ampanihy, izay tokantrano manodidina ny 480. Io antontanisa io izay mbola mety hitombo, raha ny fanazavana. Andrasana kosa ny vaovao avy any Itampolo sy Androka, momba ny fandalovan’ny “CT Jude ». Efa nivoaka an-dranomasina tao Tolagnaro moa, ity rivodoza ity, ary efa nipetraka ireo filazana fahamailoana avy amin’ny Météo malagasy.
Nangonin’i Stan R.




