Songadim-baovaoSosialy
AKON’NY RIVODOZA HONDE : Tafakatra 08 ny olona namoy ny ainy, 88 naratra, 88 215 traboina
Tafakatra 08 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Honde, 88 naratra, ary 88 215 ny traboina. Io no antontanisa nomen’ny BNGRC, omaly tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro. Ny 03 tamin’ireo maty tao Bekily, 01 Betroka, 01 Morondava, ary 03 ao Ampanihy Andrefana. Olona iray no tsy hita popoka ihany koa, ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly io. Tokantrano miisa 20 486 ireo traboina, ka ny ao Atsimo Andrefana no maro amin’izany, mahatratra 42 832, Androy 25 272, Menabe 19 991, Ihorombe 120. Olona miisa 27 707 no nafindra toerana, na tokantrano 6 624, izay mizara amina “sites” 57 isa. Teo amin’ny lafiny fahavoazana ara-potodrafitrasa, dia 13 467 ny trano dibodrano, 1 370 niharam-pahavoazana, ary 10 305 simba tanteraka. Lafiny ara-pampianarana momba izay, dia efitrano fianarana 61 simba tamin’ny ampahany, 22 voakorotana tanteraka, ary efitrano fianarana 21 simba tanteraka. Raha ny lafiny fambolena indray, dia tanimbary mirefy 6 021 Ha no tondradrano. Tany amin’ny 350 km atsimon’i Tolagnaro moa no nisy ny foiben’i Honde, omaly tamin’ny 09 ora maraina.
Nangonin’i S.R



