Songadim-baovaoToekarena

ALA HONKO ATY AFRIKA: Hita eto Madagasikara ny 20%

Mivelatra amina velarana 390 853Ha ny faritra ahitana alo honko eto Madagasikara. Mandrafitra ny 20% amin’ny velaran’ny ala honko hita Afrika izy ireo, ary 2% eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny 90%-n’ireo ala honko hita eto Madagasikara dia mivangongo any amin’ny morontsiraka Andrefan’ny Nosy avokoa. Raha tsiahivina, fitambaran’ireo hazo maniry eny amin’ny sisin-dranomasina ny ala honko. Hita maniry eny amin’ireo toerana manasaraka ny tany sy ny ranomasina izy ka manana faka mihanjaka sy afaka miaina eo amin’ny faritra hitambaran’ny ranomamy sy ranomasina, na ilay antsointsika hoe vinany. Mitana anjara toerana lehibe ara-tontolo iainana sy ara-toekarena ny fisian’ny ala honko. Mitondra tombony maro izy, indrindra ho an’ny tontolo iainana sy ny rohivohary. Miaro ny morontsiraka tsy ho kahon’ny ranomasina io karazan-javamaniry io. Izany hoe miaro ny sisin-tany amin’ny riaka sy ny tondra-drano.

Natokana ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivohary ala honko moa ny datin’ny 26 jolay. Lohahevitry ny fankalazana tamin’ity taona ity ny hoe “Honko, vahatry ny aina: miaro ireo zavamananaina, manamafy ny fahafahantsika miatrika ny fiovan’ny toetrandro”. Nosafidiana manokana nanatanterahana ny fankalazana nasionaly, araka izany, ny tany Maintirano- Faritra Melaky. Ny Faritra Melaky izay manana faritr’ala honko mirefy 59 587Ha, mitahiry harena voajanahary an-dranomasina maro ary miantoka ny fihariana sy ny velontenan’ny mponina. Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny ala honko any an-toerana dia nisitraka fampitaovana, kodiarandroa, ary fitaovana maro isan-karazany ampiasaina amin’ny jono ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) ary ireo mpitantana faritra arovana any Melaky. Notolorana fitaovana entina misoroka sy miady amin’ny doro tanety ihany koa ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao Melaky. Tamin’io sabotsy lasa teo io hatrany dia vita sonia ny famindram-pitantanana faritra arovana tamin’ny VOI sy fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be tamin’ny fiarovana ny harena voajanahary ao Melaky.
Nampiavaka ny fanamarihana omaly kosa ny fanarenana ala honko tao amin’ny Fokontany Ampasimandoro-Maintirano. Zanaka honko antsoina hoe Tangambavy miisa 30 000 no novolena tamin’izany. “Miankina tanteraka amin’ny fiaraha-mientantsika rehetra ny fahombiazan’ny hetsika fanarenana ny ala honko tahaka izao sy ny fitantanana maharitra azy. Andao hifanome tanana isika hamela lova tsara ho an’ny taranaka”, io no hafatra nampitain’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine tamin’ireo rehetra nifanolo-tanana tamin’io fanarenana ala honko omaly io.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer