KolontsainaSongadim-baovaoSosialy

ALATSINAIN’NY PASKA: Tomefy olona ireo toeram-pitsangatsanganana sy fampisehoana

Feno olona avokoa ny toeram-pitsangatsanganana teto an-drenivoihitra sy ny manodidina, omaly Alatsinain’ny Paska. Vao maraina dia efa nitanjozotra nihazo ireo toerana hahafahan’ny mpianakavy miara-paly sy mikorana ny isam-pianakaviana. Anisan’ny nahitana filaharambe ohatra ny teny Tsimbazaza. Tsy vitsy olona koa ny teny Bypass, Ambohijatovo, Marais Masay, sy ny sisa. Marobe koa ireo nisafidy ny niala kely ny renivohitra, ka tao ireo nihazo an’Antsirabe izay tena fararanon-danonana ny faran’ny herinandro teo. Nisy koa ireo nankany Ampefy sy Mantasoa ary ireo toeram-pitsangatsanganana maro amin’ny lalam-pirenena faharoa.

Tetsy ankilany, saika hipoka olona daholo ihany koa ireo lanonana nokarakaraina teto Antananarivo sy ny manodidina ny andron’ny omaly hatrany. Tafiditra ao anatin’izany ny “Donan’ny samy Ngeza” tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Nampifaly ny mpankafy azy ireo tamin’izany ry Lico Kininike, Tence Mena, Dadi Love, Big Mj, ary Lion Hill. Teo ihany koa ny “Lundi de Pâques Revy Mafana» notanterahina teny amin’ny kianja CFS Ivato. Nampiavaka azy ity ny fandraisana anjaran’ny mpanakanto Nina’s izay efa tsy nanatanteraka fampisehoana teto an-toerana taona vitsivitsy izay, noho ny filàny ravin’ahitra any ivelany. Niara-nanafana ny lanonana taminy temin’izany moa i L’Jo, Lico Kininike, Dadi Love, ary i Kakajoh. Tetsy ankilany, nampihaona ireo tanora mpankafy an-dry Wada sy Yoongs kosa ny teny amin’ny kianja maitson’i Bevalala amin’ny alalan’ny hetsika “Lundi de Pâques tafaray samy enjana”. Nanotrona azy ireo amin’izany Rim-ka, Ceasar, Big Mj, ary Raouto.

Midika izany fa efa saika niomana amin’ny fiatrehana iny fetin’ny paska teo iny avokoa raha ny mponina an’Antananarivo manokana. Isan’ny manamarika hatrany koa, etsy ankilany, rehefa fety tahaka ny omaly, ny fitohanan’ny fiara miditra ny Renivohitra mitondra ireo fianakaviana avy mitsangatsangana. Maharitra ora maromaro mihitsy izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny tany amin’ny lalam-pirenena voalohany sy faharoa, avy any Ampefy sy Moramanga.

Randriah.

Fermer