Songadim-baovaoSosialy
ALATSINAIN’NY PENTEKOSTA : Nifampitaona teny Bongatsara ireo Terak’Imady
Nanatanteraka fitsangatsanganana miaraka teny Anjomakely kaominina Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano ny alatsinain’ny Pentekosta teo ny fikambanana IMIANTA na ny fikambanan’ny terak’Imady monina eto Antananarivo. Fitsangatsanganana voalohany notanterahin’ny fikambanana ity natao ity, taorian’ny nahazoan’ny fikambanana tany eo Anjomakely, araka ny fanazavan’i Tahianjanahary David, Filoha Mpiara-mitantana ny fikambanana Imianta. Notsindriany fa tsy voatery mpikambana ao amin’ny Imianta fa izay rehetra nahatsiaro fa terak’Imady dia nasaina avokoa.
Tsara ho fantatra fa manodidina ny roa alina eo ho eo ireo mpikambana ao anatin’ny Imianta ankehitriny. Tsy nisy diso anjara ireo rehetra tonga teny an-toerana, eny fa na ireo ankizy madinika aza, araka ny nohamafisin’i Nandrianina Razafimanantsoa, Filoha Mpiara-mitantana ny fikambanana Imianta. Nampahafantariny koa fa tamin’io fotoana io no nizarana ny karatra maha mpikambana, izay natao Biometrika.
Marihina fa zava-dehibe ho an’ny fikambanana ny nahazoana ity tany eny Bongatsara ity, araka ny fanazavana. Satria ao anatin’ny vinan’ny fikambanana ny hanangana fotodrafitrasa eny an-toerana izay natao mba hanaovana fihaonambe rehefa misy tokony hihaona. Ho atao ihany koa izany mba hifampitsinjovana eo amin’ireo samy mpikambana sy hifanampiana. Nisy ny fananganana tsangambato vaovao teny amin’ity toerana vaovao azon’ny fikambanana ity, ny alatsinainy teo.
Nisy ny mpanakanto nanafana ny fiarahan’ireo mpikambana nandritra ny fitsangantsanganana.




